TSY MAINTSY MANGATAKA AMIN’ANDRIAMANITRA ISIKA


« Mangataha, dia homena hianareo. » Matio 7:7a

Ny olona vao natao batisa dia natsangan’Andriamanitra ho zanany, ka tsy sarin-janaka fa tena zanaka mandova. Araka ny teny hoe: izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra. Rehefa zanaka dia hafa kokoa ny sata iainana miohatra amin’ny tsy zanaka, na fomba filaza hafa hoe jentilisa izay hanambarana ny tsy mino. Ny zanaka no mino fa tena Rainy Andriamanitra. Ny maha rainy an’Andriamanitra no mahatonga azy tsy hisalasala hangataka. Io no nahatonga ny fampianaran’i Jesosy ny amin’ny vavaka nampianariny. « Rainay izay any an-danitra. » Raha zanaka marina dia mangataka amin’ny rainy na dia ny sakafo hohaniny aza, indrindra raha mbola zaza. Ary indrindra moa ny tsy hanadinoana ny hangataka famelan-keloka. Tian’Andriamanitra hiankina Aminy, fa tsy hiantehatra amin’ny herin’ny tena fotsiny ny zanany. Mangataha, dia homena hianareo.
Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail : lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”. Misaotra betsaka.
Publicités

Publié par filazantsaramada

Feon'ny Filazantsara

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l'aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :