NY TAVAN’I JEHOVAH

juin 16, 2017

« Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao; Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao; Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana. » Nomery 6:24-26

– In-telo eto no miverina ny teny hoe: Jehovah. Ny Ray Tsitoha, ny Zanaka mamindra fo. Ny Fanahy Masina manome fiadanana (Fiadanana no avelako ho anareo)
– Ny Fahamarinan’Andriamanitra dia miseho amin’ny endrika roa:
Endrika 1: Andriamanitra miseho amin’ny fahamasinany rehetra, ary tena sarotra ho an’ny olombelona mpanota ny miatrika Azy.
Endrika 2: Andriamanitra mampiseho ny tavany ahitana ny faminadrampony sy ny fiadanana
– Raha manafina ny tavany amintsika Andriamanitra dia zava-doza: « Ary Izaho dia hanafina ny tavako tokoa amin’izany andro izany noho ny ratsy rehetra izay nataony, fa nivily nanaraka andriamanikafa izy. Dia hirehitra aminy ny fahatezerako amin’izany andro izany, ka hahafoy azy Aho ary hanafina ny tavako aminy, ka ho lany ritra izy, ary loza maro sy fahoriana no hanjo azy (Deotornomia 31:17-18)
Koa raha manome ny tso-drano ho an’ny olony izay nantsoiny Jehovah dia aoka ho raisiny am-panetrentena lalina izany.
Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail : lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”. Misaotra betsaka.
Publicités