HAFA IHANY NY MIANKINA AMIN’NY TENA RAY


« Aoka isika hihinana sy hifaly; fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray. Dia nifaly izy. » Lioka 15: 23b-24

Teny nataon’ilay ray niteraka zanaka roa lahy, rehefa niala teo anatrehany ny faralahy nefa niverina teo aminy indray. Tao anatin’ny fanoharana nataon’i Jesosy izany. Rehefa niala ity zanaka lahy nitondra ny anjara fananany, ary nandany izany tamin’ny fiveloman-dratsy. Voatery niankina tamin’ny tompon-tany iray, ka voairaka hiandry kisoa, ary satriny hameno ny kibony tamin’ny voankazo fihinan’ny kisoa. Teo vao nahatsiaro fa hafa ny teo amin’ny Rainy. Isika koa dia teo amin’ny Ray, Izy no niankinantsika, koa raha manalavitra Azy isika dia ho faty, ho very mandrakizay. Tsy azontsika hanankinana ny fiainantsika sy ny hoavintsika ny ankoatran’ny Ray izay efa nikolokolo antsika. Koa raha hiverina isika dia ho raisiny indray. Raha mihirim-belona mijanona lavitra Azy isika dia ho very mandrakizay ho rembin’ny fahafatesana. Raha miverina eo Aminy isika dia hoy Izy: Ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray. Dia nifaly izy. « Fa, indro, very izay lavitra Anao; Aringanao izay rehetra mijangajanga mahafoy Anao. Fa, izaho, dia ny akaikin’Andriamanitra no maha-tsara ahy. » Salamo 73:27-28a.
Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

FEON’NY FILAZANTSARA
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail : lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”. Misaotra betsaka.

Publié par filazantsaramada

Feon'ny Filazantsara

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l'aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :