MIDIKA INONA NY FITSANGANAN’I KRISTY TAMIN’NY MATY?

septembre 29, 2017

« Fa fony mbola tao amin’ny nofo isika, dia ny filan’ny ota, izay nohetsehin’ny lalàna, no niasa tao amin’ny momba ny tenantsika hahavokatra ho amin’ny fahafatesana. » (Romana 7:5)

Raha mbola ao amin’ny nofo isika dia ny filan’ny ota no miasa amin’ny tenantsika, tsy mahatsiaro izay momba ny Fanahy, tsy miraharaha izay mikasika ny sitrapon’Andriamanitra. Nefa ao koa ny sady mitady ny sitrapon’Andriamanitra nefa tsy te hiala amin’ny filan’ny ota. Tiana ny atsy, Fy ny eroa. Hany ka mavesatra amintsika ny didin’ Andriamanitra, mavesatra amintsika ny fahafatesana avy amin’ny lalàna. Eo no manomboka misy lanjany amintsika ny fitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty. Mavesatra ny fahafatesana, ka rehefa mitodika amin’ny fiainana (dia ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty) isika dia misinda ny vesatry ny fahafatesana noho ny ota. Koa raha mitodika amin’Ilay menarana varahina tany an’efitra isika, dia i Jesosy Kristy izany, dia hahazo fanasitranana amin’ny kaikitry ny menarana izay mandringana.
Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

FEON’NY FILAZANTSARA
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail : lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”. Misaotra betsaka.
Publicités