NY AO AMIN’I KRISTY JESOSY

novembre 16, 2017

« Fa tsy fantantsika izay vavaka tokony ataontsika; fa ny Fanahy no mifona ho antsika amin’ny fitarainana tsy azo tononina. » Romana 8:26

Raha mamaky ny Soratra Masina isika dia mbola ny Fanahy no manambara amintsika izay tena tiany ambara. Raha ny maha olombelona antsika dia tsy mahatakatra ny saindalin’Andriamanitra isika, ary raha izany dia tsy haintsika koa izay tokony hifonantsika amin’Andriamanitra, ary raha fantatsika aza fa diso isika dia tsy haintsika ny manambara izany amin’Andriamanitra raha tsy ny Fanahy ihany. Mampanetritena antsika izany, satria mila ny Fanahy izay mampahafantatra antsika ny fahadisoana tokony hifonantsika isika, ary ny fomba entintsika manambara izany amin’ny Ray dia tsy haintsika fa ny fanahy no mahay milaza izany. Aoka isika hazoto hanome mandrakariva ny Fanahy ny toerana sahaza ho Azy ao anatintsika isananadro.
Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

FEON’NY FILAZANTSARA
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail : lhmmada@gmail.com
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”. Misaotra betsaka.
Publicités