NY RAN’NY ZANAKA

décembre 4, 2017

« Tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy. » Romana 8:1

Mitaky fahamarinana avy amintsika ny lalàna.
– Raha mandeha araka ny nofo isika dia tahaka ireo Fariseo, nitady hanamarina ny tenany, ary tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra. Tsy nino Ilay faran’ny lalàna izy, dia i Jesosy Kristy, Ilay làlana sy fahamarinana ary fiainana. Mila manaiky ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra isika, ary mila mino Azy.
– Ny olona araka ny Fanahy dia izay manaiky hamarinin’Andriamanitra amin’ny fanadiovan’ny ràn’i Kristy, isa-tsegondra, isa-minitra, ka hanetry tena eo Aminy. Io no olona atao hoe ao amin’i Kristy Jesosy, tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy. Aoka ary isika hazoto hitoetra ao amin’i Kristy Jesosy dia tsy hisy fanamelohana ho antsika.
Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

FEON’NY FILAZANTSARA
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail : lhmmada@gmail.com
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”. Misaotra betsaka.
Publicités