TAOMBAOVAO 2018

janvier 5, 2018

Nomena ny taona 2017 izay efa lasa iny isika, inona no nataontsika tamin’izany taona nomen’Andriamanitra antsika izany?

« Indro, efa telo taona izay aho no tonga nitady voa tamin’ity aviavy ity, fa tsy nahita; kapao io; nahoana io no manimba ny tany? Fa ny mpamboatra namaly ka nanao taminy hoe: Tompoko, avelao ihany izy amin’ity taona ity mandra-pihadiko manodidina azy, ka asiako zezika; angamba mbola hamoa izy; fa raha tsy izany, dia hokapainao ihany. » Lioka 13:7-9

Matoa nomena tombon’andro isika dia misy zavatra nokendren’ny Tompontsika ataontsika. Araka ny sitrapon’Andriamanitra ve ny vokatra azontsika, sa tsy namokatra tahaka ity aviavy ity? Raha tia ny Tompo isika dia ho namahana ny ondriny sy niandry ny ondriny. Sao dia mba nolaniantsika tamin’ny fanaranam-po amin’ny ratsy izany taona nomena antsika izany? Soa fa teo ny mpamboatra, nihady varotra ho antsika anomezana antsika izao taona vaovao izao, ahazoantsika manao ny sitrapon’Andriamanitra. Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

FEON’NY FILAZANTSARA
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail : lhmmada@gmail.com
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”. Misaotra betsaka.
Publicités