TSY HAHAFANTATRA ZAVATRA HAFA EO AMINAREO AHO

janvier 24, 2018

« Fa ninia hahafantatra zavatra hafa teo aminareo aho, afa-tsy Jesosy Kristy, indrindra Izy voahombo tamin’ny hazofijaliana. » I Koritiana 2:2

Rangahy anankiray izay mpivavaka ihany, nanana trano marobe teto an-drenivohitra. Rehefa niala aina izy, dia izao ihany no notononiny: aiza daholo ny tranoko? Dia hoy ilay mpiandry anankiray nanatrika ny fialàny aina: antsoy Jesosy. Tsy nety izy fa izao ihany no nasesiny, « Aiza ny tranoko? », mandra-pahafatiny. Inona no mba hahafantarana ny zavatra teo amintsika? Trano ve? Tany ve? Harena? Tanjaka ve? Fahaizana ve? Bika ve sa hatsaran-tarehy? Tsarovy amin’izao taona vaovao izao fa tsy hahafantatra zavatra hafa eo amintsika Andriamanitra Ray afa-tsy Jesosy Kristy Tompo Zanany. Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

FEON’NY FILAZANTSARA
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail : lhmmada@gmail.com
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”. Misaotra betsaka.
Publicités