FAHAIZANA MIHAINO!

février 2, 2018

«Ary izay rehetra tsy mihaino ny teniko, izay holazainy amin’ny anarako, dia Izaho no hitsara azy.» Deotornomia 18:19

Jehovah Andriamanitra no miteny amin’ny firenena izay nofidiny ho Azy, ka mpaminany avy eo aminy no atsangan’Andriamanitra, ary atsangany hitondra ny hafatra avy Aminy, dia hoy Izy hoe ataoko ao am-bavany ny teniko, ary holazainy aminy izay rehetra andidiako azy. Misy tokoa ny Teny izay apetrak’Andriamanitra ao am-bavan’ny mpanompony, koa raha izany dia misy fisahiranan’Andriamanitra mihintsy. Ny tokony ataon’izay manan-tsofina dia ny mihaino izany. Manao ahoana ny fihainoantsika ny tenin’i Jehovah? Sao dia variana mihaino izao tontolo izao isika? Sao sondriana mankafy ny fahendrena eto amin’izao tontolo izao izay toa marina kanjo fitaka ihany? Fa raha tsy hihaino ny tenin’Andriamanitra isika dia i Jehovah no hitsara antsika. Handeha isika hihaino indray ny tenin’Andriamanitra, ka sofina avy aminy mihitsy, sofina manaiky iasan’ny Fanahy Masina no sofina entintsika hihainoana ny teniny amin’izao taona vaovao izao. Jesosy Kristy Tompo mampahery anao.

FEON’NY FILAZANTSARA
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail : lhmmada@gmail.com
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”. Misaotra betsaka.
Publicités