KARAZANA SAKAFO INONA?

février 9, 2018

Hoy i Paoly apostoly: « Ronono no nomeko anareo, fa tsy ventin-kanina, satria tsy mbola matanjaka hianareo; eny, mbola tsy matanjaka mandraka ankehitriny aza. » I Korintiana 3:2.

Misy karazany ny sakafo hohanin’ny olona araka ny fahalebiazany sy ny taonany. Samy hafa ny karazan-tsakafo ho an’ny zaza menavava, ny tanora, ny lehibe, ary ny antitra. Ny eo amin’ny ara-panahy koa tahaka izany. Mitady hiala ny kristiana sasany raha vao misy fakam-panahy mafimafy na fizahantoetra henjankenjana; rehefa zatra nokenankenaina loatra. Tsy mitovy ny sakafo omena ny olona vao nandray an’i Jesosy sy ireo efa nanaradia Azy teo aloha. Ao ny mbola omena ronono ary ny sasany efa omena ventin-kanina. Ambara eto fa ronono no nomen’i Paoly ireo kristianina tao Korinto satria mbola tsy natanjaka ireo, tsy nahazaka ventin-kanina, tsy sahy misedra olana sarotsarotra. Izany anefa no fiainana ara-panahin’ny kristiana maro. Tsy mitombo amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy mitombo amin’ny finoana. Tsy ampy fiainam-bavaka. Mba tsy ho isan’izany anie isika fa hanaiky hitombo ara-panahy. Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

FEON’NY FILAZANTSARA
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail : lhmmada@gmail.com
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”. Misaotra betsaka.
Publicités