FA NY FANAHY NO MIFONA

avril 6, 2018

« Ary izay mandinika ny fo no mahalala izay hevitry ny ny Fanahy, satria araka an’Andriamanitra ny fifonany ho an’ny olona masina. » Romana 8:27

Andriamanitra marina no mamantatra ny fo sy ny voa, ary Izy no afaka mandinika ny fo. Koa raha mandinika ny fo Izy dia mahalala ny hevitry ny Fanahy. Ny olona manana ny Fanahy no zanak’Andriamanitra. Ny olona manana ny Fanahy no manana ny Zanaka, ary manana ny fiainana. Izay hamasinin’ny Fanahy (satria ny Fanahy no manamasina) no olona masina, (tsy tanteraka avy hatrany io fanamasinana io fa miandalana), koa araka ny voalaza eto ny Fanahy no mifona ho an’ny olona hamasininy. Manontany ny hevitry ny Fanahy Andriamanitra raha mamela ny helotsika. Mihaino ny fifonan’ny Fanahy Andriamanitra. Aoka ho kolokoloina tsara ary ny Fanahy izay nomena ahy sy ianao.

Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

FEON’NY FILAZANTSARA
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail : lhmmada@gmail.com
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”. Misaotra betsaka.
Publicités