TSY MISY FANAMELOHANA

mai 4, 2018

« Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy. » Romana 8:1

– Ny atao hoe ao amin’i Kristy Jesosy dia ny olona nandray an’i Jesosy Kristy. Izay nahazo hery ho tonga zanak’Andriamanitra. Ny olona izay ao amin’ny Fanahy dia tarihin’ny Fanahy. Raha ny zaza dia izay nandray ny Fanahy tamin’ny batisan’ny Fanahy.
– Ny olona ao amin’i Kristy dia izay nandray ny famelankeloka tamin’ny fanadiovan’ny ràn’i Kristy. Eo amin’ny Sakramenta no andraisana ny famelankeloka.
– Ny olona ao amin’i Kristy dia izay manaiky hamarininy. Na dia ratsy aza, ka miaiky ny faharatsiany, ary manaiky hibebaka, dia hotafian’i Jesosy ny fahamarinany. Manadio ny fitafiany, ka mitafy ny fahadiovan’i Kristy ;
– Niteny ity teny ity Paoly rehefa niaiky fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ao aminy, fa ao anatiny ihany ny fikasàna, fa saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ao. Soa fa teo Jesosy Kristy. Tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy.
Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

FEON’NY FILAZANTSARA
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail : lhmmada@gmail.com
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”. Misaotra betsaka.
Publicités