TSY NANANA OTA IZY

juin 29, 2018

« Izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy. » IJaona 3:6

Raha mandinika ny voasoratra ao amin’ny I Jaona 1:8 hoe: «Raha hoy isika tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika» dia toy ny misy fifanoherana amin’ny hoe: ny « ao aminy dia tsy manota ». Ny azo andraisana azy dia ny hoe tsy atao fanahy iniana ny manota fa tafiditra ho azy ny fahotana, efa mihataka amin’ny fahotana fa mbola misy fahotana tonga ihany. Ilay soratra hoe Manota sy Nanota dia samy hafa. Ny manota dia manao mihitsy ilay asa. Fa ny hoe nanota na hoe manana fahotana dia azo raisina hoe iharan’ny ota. Raha mitoetra ao aminy isika dia toy ny sampana miray amin’ny foto-boaloboka. Jesosy Kristy dia tsy manota ary tsy manana ota, na dia nitondra ny otantsika aza, koa raha ao aminy isika dia tsy manota koa. Aoka ary isika hiray amin’Ilay foto-boaloboka dia tsy manota.
Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

FEON’NY FILAZANTSARA
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail : lhmmada@gmail.com
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”. Misaotra betsaka.
Publicités