FANAVOTANA AO AMIN’I KRISTY

juillet 27, 2018

« Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra, nefa hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy, » Romana 3:23-25

Sarotra amintsika ny mankato ny lalàna rehetra, nefa dia asain’Andriamanitra ankatoavina izany. Ny tsy fankatoavana ny lalàna no mahatonga ny fahafatesana. Hoy ny voasoratra ao amin’ny bokin’i IJaona 1:8 : « Raha hoy isika: tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ao anatintsika. » Mila mandray mandrakariva ny fahasoavana ao amin’i Kristy Jesosy isika; dia ny fanavotana izay nataony tamin’ny nanekeny hitondra ny fahotantsika teo amin’ny hazo fijaliana. Nihatra, mihatra aman’aina ny fanavotana natao koa aoka tsy ho hitsakitsahintsika amin’ny fanompoana ota ny fampijaliana ny Tompo Jesosy. Aoka isika hatahotra sy ho tia an’Andriamanitra.
Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

FEON’NY FILAZANTSARA
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail : lhmmada@gmail.com
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”. Misaotra betsaka.
Publicités