AN’IZA NY LANITRA SY NY TANY?

août 31, 2018

« Indro, an’i Jehovah Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin’izay rehetra eo aminy. » Deotornomia 10:14

Jehovah Andriamanitra dia Andriamanitra manambara tena. Manambara tena amin’ny zavatra noforonony Izy. Izy no namorona ny lanitra, Izy no namorona ny tany, ary ireny dia manambara an’i Jehovah Andriamanitra avokoa. Tokony hino Azy isika na dia ny fisian’izany ihany aza. Ny manampahaizana mpitsabo dia resy lahatra ny amin’ny toe-tena sy ny hasarotry ny famantarana ny antsipirihiny ny amin’ny tenan’ny olombelona. Feon’Andriamnitra miteny amintsika ny asan’ny tànany, nefa mba manao ahoana moa ny fankahasitrahantsika Azy, ny amin’ny zavatra nomeny hanjakantsika rehetra ireny? Raha mandinika ny fahapotehan’ny « couche d’ozone »(amin’ny lanitra) izay ivezivezen’ny fiaramanidina mpitatitra isan’andro ohatra, na dia ny tsy hanimba aza no tao antsain’ny olona tany amboalohany fa ny hanasoa, dia hita sahady ny maha-samy hafa ny asa-tànan’Andriamanitra sy ny asa-tànan’ny olombelona. Manao ahoana koa ny asa nataon’i Jesosy rehetra? Hoy Jesosy: « na dia tsy mino Ahy aza hianareo, dia minoa ny asa, mba ho fantatrareo sy hekenareo fa ny Ray no ato amiko, ary Izaho ao amin’ny Ray » (Jao10:38). Fa raha mino Azy isika dia mihaino izay lazainy, ary ho ondry fiandriny isika, ary omeny antsika ny fiainana mandrakizay. Amen Jesosy Kristy Tompo mampahery anao.

FEON’NY FILAZANTSARA
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail : lhmmada@gmail.com
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”. Misaotra betsaka.
Publicités