TOETRA VAOVAO


« Ary efa notafianareo ny toetra vaovao, izay havaozina ho amin’ny fahalalàna tsara araka ny endrik’Izay nahary azy. » (Kolosiana 3:10)

Inona moa ny hoe toetra taloha: fitondran-tena tamin’ny filan’ny nofo isan-karazany, fanaovana ny danin’ny nofo, danin’ny saina. Ny fanaovana izany no mahatonga ny olona ho zanaky ny fahatezerana na koa mitoetra eo ambany fahatezeran’Andriamanitra. Ankehitriny isika dia tokony tsy mivelona amin’izany danin’ny nofo sy ny saina izany intsony, fa miaina amin’ny tahotra an’Andriamanitra. Fiainam-pahafatesana ny fiainana amin’ny danin’ny nofo sy ny saina ka mampitanondrika noho ny vesatry ny fahotàna. Tsy mahatràka mijery ny endrik’Ilay nahary, ary izay mety ho fahalalàna dia tsy mitondra afa-tsy ho amin’ny fahafatesana. Nahalala nanatona an’i Jesosy ihany ilay vehivavy nanana fanahy mahafarofy valo ambin’ny folo taona. Ary rehefa nametrahan’i Jesosy tànana izy dia sitrana niaraka tamin’izay. Ny fanasitrana ataon’i Jesosy no ahazoana fahavelomana hialàna amin’ny fahafatesana. Koa na dia tsy manankery aza isika, dia ny fanekentsika hametrahan’i Jesosy tànana no hanasitranana antsika. Ny tenin’Andriamanitra omban’ny Fanahy Masina ekentsika hanasitrana sy hanavao ny fontsika no iray amin’ny tànan’Andriamanitra manala antsika amin’ny fahafatesana.
Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

FEON’NY FILAZANTSARA
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail : lhmmada@gmail.com
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”. Misaotra betsaka.
Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :