SAHY …


« Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’izay andro mahory. » (Hebreo 4:16)

Misy fotoana eo amin’ny fiainana izay mahavery hevitra antsika tokoa. Eny, mitady hamoy fo aza. Aoka anefa isika ho sahy.
SAHY manatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana noho ny amin’ny ràn’i Jesosy. Ny ràn’i Jesosy mantsy no manam-pahefana hanadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra, ka hanana fo voadio ho afaka amin’ny fieritreretana ratsy sy ho tena voasasa amin’ny rano madio.
SAHY satria Kristy Jesosy dia natao Mpisoronabe mitandrina ny tranon’Andriamanitra, nanao làlana ho antsika dia làlana vaovao sady velona namaky teo amin’ny efitra lamba, dia ny nofony.
SAHY satria raha mihemotra koa isika dia mihemotra ho amin’ny fahaverezana, ary « Zavatra mahatahotra ny ho azon’ny tanan’Andriamanitra velona» ny amin’izany fihemorana izany. Koa raha sarotra ary ny manjo antsika amin’izao ora izao, izay mety heverintsika hoe andro mahory mihitsy, aoka isika ho sahy hanatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavany.
Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

FEON’NY FILAZANTSARA
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail : lhmmada@gmail.com
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”. Misaotra betsaka.
Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :