NY FAHEFANA


« Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin’Andriamanitra. » (Romana 13:1)

Jesosy dia nanaiky ny fahefana ka nandoa ny antsasaky ny sekely anjara adidiny. Tsy Izy tenany ihany anefa fa ny olony koa. Miantoka ny tenany sy ny olony Jesosy. Amin’ny maha Zanak’Andriamanitra Azy dia tokony tsy nandoa Izy kanefa nandoa ihany, «Nefa andrao isika manafintohina azy, dia mankanesa ao amin’ny ranomasina hianao, ka manjonoa; ary raiso izay hazandrano azo voalohany, ka rehefa sokafanao ny vavany, dia hahita vola sekely eo hianao: dia raiso izany, ka omeo azy ho avy amiko sy hianao» (Matio 17:26). Misy koa ny fahefàna araka ny sitrapon’Andriamanitra. Hoy ny Soratra Masina: «Indro, fa araka ny fahamarinana no hanjakàn’ny mpanjaka, ary ny lehibe hanapaka araka ny rariny» (Isaia 32:1). Ny Mpanjaka sy ny Lehibe dia afaka miaro rehefa misy zavatra sarotra manjo ny olony. Jesosy no nahatanteraka feno izany. Lehilahy fierena amin’ny rivotra sy fialofana amin’ny ranonoram-baratra ary rano velona amin’ny tany karankaina Izy. Miantoka ny olona miaraka Aminy Jesosy. Nanefa ny adidiny sy ny an’i Petera Izy, ary amin’ny fomba maha Andriamanitra Azy no nanaovany izany satria tao anaty vavan’ny trondro no nasainy nakàna ny vola. Ampy ho antsika ny Fahasoavany.
Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

FEON’NY FILAZANTSARA
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail : lhmmada@gmail.com
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”. Misaotra betsaka.
Publicités

Publié par filazantsaramada

Feon'ny Filazantsara

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l'aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :