NISEHO NY FAHAMORAM-PO


« Dia tsy avy amin’ny asa amin’ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindrampo kosa no namonjeny antsika, tamin’ny fanasan’ny fiterahana indray sy ny fanavaozan’ny Fanahy Masina. » (Titosy 3:5)

– Tonga Jesosy Kristy Ilay nanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao. Izany no fisehoan’ny fahamoram-pon’Andriamanitra.Fa ny fahamoram-pon’Andriamanitra tamiko sy taminao ve
efa niseho tokoa? Efa niseho izany tamin’ny Batisa izay nanesorana ny fahotana tamin’ny fanasan’ny fiterahana indray. Efa nateraka araka ny nofo isika ary izany no nandovantsika ota izay mitondra fahafatesana tokoa. Ity fanasan’ny fiterahana ity no fiterahana vaovao manome fiainana mandrakizay, fa ilay fiterahana teo aloha dia araka ny nofo ihany, tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
– Fahamoram-pon’Andriamanitra koa ny fanavaozan’ny Fanahy. Raisina amin’ny Batisa koa ny Fanahy rehefa nodiovina isika. Ny Fanahy no mahatonga antsika ho zanak’Andriamanitra, izany no manaraka antsika eo amin’ny fiainantsika. «Fa izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra.» (Romana 8:14). Ny zanaka dia mpandova sy mpiray lova amin’i Kristy. Raha tao anatin’ny nofo isika dia nandova ota, fa izay ao amin’ny Fanahy kosa dia tsy ota intsony no lova fa ny lovan’i Kristy. Aza mamono ny Fanahy. «Fa raha ny Fanahy no amonoanareo ny asan’ny tena dia ho velona hianareo» (Romana 8:13b). Mazotoa mihevitra ny zavatry ny Fanahy. Fahamoram-Panahin’Andriamanitra izany. Jesosy hampahery antsika.

FEON’NY FILAZANTSARA
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail : lhmmada@gmail.com
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”. Misaotra betsaka.
Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :