AKAIKY NY FAMONJENA ANTSIKA


« Fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin’ny andro vao ninoantsika. » (Romana 13:11b)

Ny famonjena dia fanalana antsika ho afaka amin’ny loza. Ny loza dia ny fahaverezana mandrakizay. Ny famonjena araka izany dia asan’Andriamanitra miaro sy manala antsika amin’ny fahaverezana mandrakizay. Ny famonjena ankehitriny dia ny fananana ny ràn’i Jesosy manaisotra ny fahotana, ary tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy. Ny andro vao ninoantsika dia andro feno hafanam-po, izay nandraisantsika famelan-keloka ka nahatsapantsika ny fitiavan’ Andriamanitra; andro mahafinaritra izay ambara hoe: « Fitiavana voalohany ». Fahafenoana fiadanampo, fifaliana, fahasambarana aza. Hatramin’ny anjely any an-danitra dia nifaly ny amin’ny mpanota iray izay nibebaka. Andro tokoa ny andro vao ninoana. Misy anefa ireo nino nefa nivadika, tsy naharitra, fa natory. Fa ankehitriny hoy ny Soratra Masina eto dia akaiky kokoa noho ny tamin’ny andro vao ninoantsika ny famonjena antsika, efa ho lasa ny alina ka efa akaiky kokoa ny andro. Matetika amin’ny andro mafana dia mora resin-tory isika rehefa avy niari-tory ny alina ka mila miambina kokoa sao amin’izay no ho avy ny Tompo. Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro. Tsy ho variana amin’ny filalaovan-dratsy, ny fahamamoana, ny fijangajangana,… ny fifandirana,… »Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin’ny nofo hahatanteraka ny filàny. » (Romana 13:14). Amen!

FEON’NY FILAZANTSARA
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail : lhmmada@gmail.com
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”. Misaotra betsaka.
Publicités

Répondre

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l'aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :