MPANJAKA MITADY FIHAVANANA


« Lazao amin’ny Ziona zanakavavy: Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao, malemy fanahy sady mitaingina boriky, dia zanaky ny boriky miasa ». Matio 21:5

Ny fiavian’i Jesosy eto amin’ity izao tontolo izao ity dia azo sokajiana ho roa: Ny voalohany dia Ilay Jesosy Zanak’Andriamanitra velona, Ilay Teny tonga nofo, naterak’i Maria tao an-tranonomby, Ilay Andriamanitra amintsika, niara-nonina tamin’ny olombelona, Mpanjakan’ny mpanjaka, Andriamanitra mahagaga. Ary dia io Jesosy zaza io, efa lehibe no lazaina eto amin’ity Matio 21:5 eto ity. Io Jesosy io no Mpanjaka mitaingina boriky, dia zanaky ny boriky miasa. Ny ambaran’ny hoe mpanjaka mitaingina boriky dia mpanjaka mitady fihavanana. Azon’ny mpanjaka atao tokoa ny mitaingina soavaly fa tsy boriky tahaka ny eto, satria ny soavaly dia kinga tokoa fa tsy mitaraiky tahaka ny boriky. Rehefa hiady mantsy ny mpanjaka dia soavaly no entiny. Noho izany dia mpanjaka mitady fihavanana Jesosy eto amin’ity fiaviany voalohany ity.
Ny faharoa kosa dia Jesosy tonga fanindroany izay tsy mitady fihavanana intsony fa Jesosy mitondra ny fitsaràna izao tontolo izao: ho avy hitsara, ka hanavaka ny olony sy ny tsy olony. Vita teo amin’ny fiaviany voalohany ka hatramin’izao mbola iainanao izao ny ala nenina amin’ny fitadiavana fihavanana. Fitsaràna no sisa rehefa miverina Jesosy. Koa anio ary dia mbola Ilay Jesosy mitaingina zana-boriky no tonga eto amin’izao teny izao. Mbola mitady fihavanana Izy. Raiso izany tanana mitsotra izany dia tsy hanan-tahotra ianao amin’ny andro fitsaràna ho avy. Ny Tompo hampahery anao.

FEON’NY FILAZANTSARA
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail : lhmmada@gmail.com
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”. Misaotra betsaka.
Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :