SADY MPANOTA NO MARINA


« Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia avaozina isan-andro isan-andro kosa ny toetray anaty. » (II Korintiana 4:16)

Amin’ny fomba hafa no hijerena ity andininy ity, dia amin’ny fijery ny finoana ny mpanamarina antsika na dia mpanota aza. Tsy amin’ny fijery hoe: hery azontsika ampiasaina ny fanamarinana maimaimpoana, fa Andriamanitra mamela heloka sy mamonjy. Mihalevona ny toetra ivelany, izany hoe ny nofontsika mihasimba tsikelikely (mitafy ny fahalovana). Hoy ny Soratra Masina: « Fa ity mety lo ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalovana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana. » (1Korintiana 15:53); Itafio Jesosy Kristy. Ny toetra anaty kosa dia avaozina isan-andro ka raha hoy isika: tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika. «Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsifahamarinana rehetra »(IJaona 1:8-9). Io no fanavaozana isan’andro. Ny fiterahana antsika dia indray mandeha, kanefa mbola misy ny fahotàna. Tsy maintsy avaozina isan’andro noho izany ny toetrantsika anaty. Aoka ary isika hanaiky havaozina isan’andro fa tsy hatoky fotsiny hoe efa nateraka indray aho ka tsy hiaina isan’andro ny famelan-keloka noho ny ota atao (na fantatra na tsy fantatra). Jesosy hampahery sy hampaharitra antsika amin’izany. Amen!

FEON’NY FILAZANTSARA
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail : lhmmada@gmail.com
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”. Misaotra betsaka.
Publicités

Publié par filazantsaramada

Feon'ny Filazantsara

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l'aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :