NY AMIN’NY ASAN’NY FANAHY MASINA


« Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Simeona tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fampiononana ny Isiraely; ary ny Fanahy masina dia tao aminy. Ary efa nambaran’ny Fanahy Masina taminy, fa tsy hahita fahafatesana izy mandra-pahitany ny Kristin’ny Tompo. Ary nentin’ny Fanahy Masina niditra teo an-kianjan’ny tempoly izy; ary rehefa nampidirin’ny ray amandreniny Jesosy zaza mba hanaovany araka ny fomban’ny lalàna ny amin’ny zaza, dia nitrotro
Azy izy ka nidera an’Andriamanitra. » (Lioka 2:25-28)

Toetra manetry tena ananan’izay tena mino an’I Jesosy no asehon’ny Tenin’Andriamanitra eto raha milaza izy fa lehilahy marina sady mpivavaka tsara Simeona. Ny Fanahy Masina dia tao aminy ary niteny taminy fa tsy hahita fahafatesana izy raha tsy mahita an’i Jesosy aloha. Faniriana lehibe vokatry ny finoana izany. Ny Fanahy Masina mihintsy no miasa ka mitondra azy miditra eo an-kianjan’ny tempoly. Tena zava-dehibe ny nataon’ny Fanahy Masina sy izay nambarany taminy. Izy no nitondra azy hahita an’i Jesosy tamin’ny fotoana tena nety hahitàny Azy ary tamin’ny toerana tena nety. Afaka miasa eo amin’ny fiainantsika tokoa ny Fanahy Masina tahaka izao nataony tamin’i Simeona izao ary hanamarika ny fiainantsika ny asan’ny Fanahy Masina amin’ny fotoana sy ny toerana tena ilàna izany. Te hiasa sy hanao zava-dehibe eo amin’ny fiainantsika ny Fanahy Masina amin’ny maha Andriamanitra Azy, hanaiky hamarinina sy ho mpivavaka tsara. Takiana amintsika ny hanetry tena hangataka ny asan’ny Fanahy Masina. Jesosy Kristy Tompo mampahery anao. Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

FEON’NY FILAZANTSARA
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail : lhmmada@gmail.com
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”. Misaotra betsaka.
Publicités

Publié par filazantsaramada

Feon'ny Filazantsara

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l'aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :