TAFIO-DRIVOTRA


« Ary, indro, nisy tafio-drivotra mafy tonga tamin’ny ranomasina, ka dia nila ho voasafotry ny alon-drano ny sambokely; fa Izy natory. » Matio 8:24

Nanaraka an’i Jesosy an-tsambokely ny mpianatra. Ireto toe-javatra telo ireto no homarihintsika: Voalohany dia ny fisian’ny tafio-drivotra mafy:
Tsy mandeha ho azy ny fanarahana an’i Jesosy. Aoka ho vonona hiatrika ny zava mitranga rehefa manaraka Azy. Tsy hoe làlana tsara sy mora arahina ny fanarahana an’i Jesosy, fa misy sedra ny finoana. Tsarovy fa Jesosy tany am-panombohana ny asany dia nalain’ny devoly Fanahy ary nandresy Izy. Tamin’ny faharoa dia mila ho voasafotry ny alon-drano ny sambokely: Mety hampivadim-po ny fijery ny zava-misy. Kely ny sambo, nefa ny tafio-drivotra tonga mafy tamin’ny ranomasina. Nihorohoro mafy ny mpianatra. Fahatelo kosa dia Jesosy natory: Tsy manaitra an’i Jesosy akory ve ny feo maherin’ny rivotra? Ny Fidoboky ny onja be mianjera ve tsy henony? Toy ny torimason-jaza ny torimason’i Jesosy satria nino ny fitondran’ny Rainy Izy. Tsy mba nanan-tahotra Izy. Fantatsika ny tohin’ny tantara fa nofohazin’ny mpianatra Jesosy ary nampitony ny rivotra Izy. Ny tian’i Jesosy ataontsika mpianany koa raha misy zava-tsarotra dia ny hino fa eo foana Izy, tsy mivadi-po na hatahotra ary hiantso Azy hatrany na rahoviana na rahoviana. Fa hoy mantsy ny teniny: Raha mita ny rano hianao, dia homba anao Aho; ary raha mita ny ony hianao, dia tsy hanafotra anao izy. Ny Tompo Jesosy hampahery antsika.

FEON’NY FILAZANTSARA
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail : lhmmada@gmail.com
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”. Misaotra betsaka.
Publicités

Publié par filazantsaramada

Feon'ny Filazantsara

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l'aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :