AZO VONOINA VE NY FANAHY AO ANATY?


« Aza mamono ny Fanahy. » 1 Tesaloniana 5:19

Teo amin’ny fiterahan’ny rano sy ny Fanahy antsika isika no nahazo ny maha zanak’Andriamanitra antsika. Izay nateraky ny nofo dia nofo, ka na dia zaza aza dia nofo ihany satria nateraky ny nofo. Ny rano sy Fanahy miaraka no batisa iterahan’Andriamanitra antsika. Manomboka eo no velona ao anatintika ny Fanahy. Lasa zanak’Andriamanitra isika. Mandray anjara eo amin’ny fiainantsika ny Fanahy. Miteny ao anatintsika Izy. «Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika» (Romana 8:16). Raha mihaino ny Fanahy isika dia ho velona araka ny ny Fanahy ary handeha araka ny Fanahy. Mila velomina ny Fanahy: omena sakafo dia ny Tenin’Andriamanitra: «Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona fa ny Teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.» (Matio 4:4). Ilaina ny firaisan’aina Aminy. Ny firaisana amin ‘ny foto-boaloboka sy ny sampana dia ny vavaka ataontsika tsy mitsahatra. Raha tapaka ny firaisana dia maina ny sampana. Ho faty ny Fanahintsika. Toy izany koa ny firaisana latabatra Amin’i Jesosy, dia ny sakramentan’ny Fanasan’ny Tompo. Ny nofo manohitra ny Fanahy, ny Fanahy manohitra ny nofo, mifanohitra izy roroa. Ny hamantarana ny Fanahy dia ny vokatra. «Fa ny vokatry ny Fanahy dia fitiavana, fifalina, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-toa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po,… » (Galatiana 5:22). Koa raha ny fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana fanompoan-tsampy, fifampiandanina, fitokotokoana, fahamamoana,…dia mamono ny Fanahy izany. Raha namono ny Fanahy isika dia tokony hifona amin’Andriamanitra ary hamelona ny Fanahy indray ao anatintsika ka hiverina ho tia ny Teny, ho tia vavaka sy hiray latabatra Aminy. Jesosy hanome hery antsika.

FEON’NY FILAZANTSARA
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail : lhmmada@gmail.com
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”. Misaotra betsaka.
Publicités

Publié par filazantsaramada

Feon'ny Filazantsara

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l'aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :