FAHASOAVANA SA ASA


« Tsy mahazo manao izay tiako amin’ny ahy va aho? Ratsy va ny masonao, satria tsara aho? Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany.. » (Matio 20:15-16)

Ny famonjena antsika dia fahasoavana, omena antsika maimaimpoana fa tsy avy amin’ny asa. Famonjena azo avy amin’ny fandraisana an’i Jesosy Kristy amin’ny batisa amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Raha misy mamoha ny varavarana dia hiditra ao aminy Aho hoy Jesosy. (Apokalypsy 3:20b).
Jesosy Kristy no Ilay fanorenana tsara izay natao. Tsy misy fanorenana hafa. Hoy Izy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana (Jaona 14:6a). Rehefa nandray famonjena isika dia ny karama raisina iray ihany: fiainana mandrakizay. Rehefa manana an’i Jesosy ao anaty (voapetraka ny fanorenana), rehefa zanak’Andriamanitra isika dia miditra amin’izay ny asa. Inona no aorintsika eo amboniny? Volamena, sa volafotsy sa hazo sa bozaka sa mololo. Izay aorina eo ambony dia ho zahàna toetra eo amin’ny afo. Andriamanitra no mizaha toetra. Raha volamena na volafotsy no aorintsika eo dia vao maika miseho ny hatsaràny. Raha hazo, na bozaka, na mololo kosa dia ho levon’ny afo ka ho matiantoka. Fa asan’Andriamanitra isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara. Famoronana vaovao no namoronana antsika, ary namboariny mba handehanana eo aminy. Aoka ary isika tsy ho variana hitsikera ny ataon’ny Ray eo amin’ny fiainantsika fa hiezaka handeha amin’ny lalana efa namboariny, dia ny asa tsara tsy ho levon’ny afo. Amen!
Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

FEON’NY FILAZANTSARA
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail : lhmmada@gmail.com
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”. Misaotra betsaka.
Publicités

Publié par filazantsaramada

Feon'ny Filazantsara

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l'aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :