NY FANJAKAN’NY LANITRA


« Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray izay namafy voa tsara tany an-tanimbary; fa raha natory ny olona, dia avy ny fahavalony ka namafy voan-tsiparifary teny amin’ny vary dia lasa nandeha. » (Matio 13:24-25)

Fanoharana iray ny amin’ny fanjakan’ny lanitra ny famafazana voa tsara. Avy amin’Andriamanitra ny voa tsara. Mety Izy mihitsy no mamafy, mety maniraka mpamafy Izy, ary Jesosy Kristy Zanany dia namafy voa tsara tokoa. Mety maniraka olona koa Izy dia ny olona izay mety ho irany. Ny voan-tsiparifary dia avy amin’ny fahavalo, dia i satana. Satana dia afaka mamafy ary maniraka olona izay mety ho irany koa izy. Ny mpamboly dia mifidy ny voa tsara mba hanantena hahazo vokatra tsara. Fa misy kosa ny fotoana izay tsy maha eo azy, ohatra eto ny mandeha matory. Eo no manararaotra ny fahavalo. Ho antsika zanak’Andriamanitra dia mila mitandrina ny amin’ny voa izay efa nafafintsika, ilaina ihany ny fanarahana maso izay efa voafafy. Ratsy tokoa ny fahavalo mikendry fanakorontanana ohatra ka hahatonga fahasimbana. Ny amin’ity fanoharana ity dia navelan’ilay tompon-tany haniry eo ny voa tsara sy ny tsiparifary mba tsy ho voaongotra ny voa tsara. Mamindra fo tokoa Andriamanitra fa,amin’ny farany tsy maintsy avahany ny vary sy ny tsiparifary: ny vary atao an-tsompitra, ny tsiparifary atao anaty afo dorana. Mba ho vary tokoa isika atao antsompitra, fa tsy tsiparifary ho dorana amin’ny andro farany. Aoka handray fanapahan-kevitra hentitra isika.
Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

FEON’NY FILAZANTSARA
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail : lhmmada@gmail.com
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”. Misaotra betsaka.
Publicités

Publié par filazantsaramada

Feon'ny Filazantsara

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l'aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :