IZY TSY MAINTSY MITOMBO


« Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy. » (Isaia 55:11)

Jesosy Ilay Teny tonga nofo, ary tsy niverina tany amin’ny Ray naniraka Azy raha tsy efa mahatanteraka izay sitrany ary ambinina amin’izay ampandehanany Azy. Efa tanteraka tokoa izany ary mbola mitohy hatramin’izao ny fahatanterahany. Nanetry tena tokoa Jesosy, fa ny Ray no nanandratra Azy.
Mpanomponompon’Andriamanitra malagasy iray nanao asana pastora voatendry amin’ny toerana sarotra dia sarotra satria toa tany efitra no sady be olon-dratsy. Na dia tena tanora dia tanora aza izy, dia niseho tao anaty fotoana fohy ny vokatry ny asa nampanaovin’Andriamanitra azy. Nazoto niaraka tamin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny vavaka ary tsy nisaraka tamin’ny Teny izy. Vahoaka aman’hetsiny no tonga nitady ny Tenin’Andriamanitra sy ny sitrapony tamin’izany ary nahita ny fahasoavan’ny Tompo. Na dia any anefitra aza dia hain’ny Ray ny manambina ny teniny ary manatanteraka ny sitrapony.
I Paoly dia nasiana tsilo tamin’ny nofo kanefa hoy ny Tompo taminy: Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena. Izaho sy hianao koa dia irahin’i Jesosy. Mba tsy ho fo ivezivezen’ny fomban’izao tontolo izao ka ho voahitsakitsaka ny Teny nafafy tao, ary hotsaingohan’i Satana mora foana, na ho fo faly dia faly mandray ny Teny nefa tsy manampaka dia ho faty fotoana vitsy, na ho fo feno fanahiana na fitiavan-karena na feno ny fahafinaretan’izao fiainana izao ka tsy mitondra vokatra. Fa ho fo nofo manaiky ho voatsindron’ny Tenin’Andriamanitra marina ka hamoa amin’ny faharetana. Ny Fanahy Masina anie hiasa ao anatin’ny fontsika. Amen.

FEON’NY FILAZANTSARA
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail : lhmmada@gmail.com
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”. Misaotra betsaka.
Publicités

Publié par filazantsaramada

Feon'ny Filazantsara

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l'aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :