LEHIBE NY FINOANAO


« Ravehivavy, lehibe ny finoanao; tongava aminao araka izay irinao. Dia sitrana ny zanany vavy tamin’izay ora izay. » (Matio 15:28b)

Avy aiza ny finoan’ity vehivavy ity?
Raha ny marina dia avy amin’izay ren’ny sofiny. Mety avy amin’izay efa hitan’ny masony koa…Fa ny lazain’ny Soratra Masina dia hoe: «Ny finoana dia avy amin’ny Toriteny, ary ny toriteny avy amin’ny tenin’i Kristy» (Romana 10:17). Kananita ity vehivavy ity nefa nino ny asa efa nataon’i Jesosy. Ary nino izy fa mahay manasitrana ny zanany vavy Jesosy. «Mamindrà fo amiko, Tompoko, zanak’i Davida o» (Matio 21:22b). Tsy azo nohozongozonina ny finoany. Roahy izy, fa miantso mafy ato aoriantsika hoy ny olona. Tsy niala ravehivavy. Tompoko o! vonjeo aho hoy izy. Hoy Jesosy: tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ny amboakely. Tsy niala ihany izy fa vao mainka namaly hoe: Fa na dia ny amboakely aza mba mihinana izay sombintsobiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony. Tsy matin-kambo fa manetri-tena: hafa firenena nefa mandady amin’i Jesosy. Mahazaka teny maharary. Aminy: Jesosy mahasitrana ny zanany.
Aiza ny finoantsika amin’izany rehetra izany? Misy olana lehibe ve eo amin’ny fiainanao? Aminao: Jesosy dia mahavaha olana. Misy aretina mafy mihàtra aminao, na amin’ny zanakao, na amin’ny olona akaiky anao? Aminao? Mahasitrana azy ve Jesosy? Ry havana, te hiteny aminao koa Jesosy: Lehibe ny finoanao.
Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

FEON’NY FILAZANTSARA
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail : lhmmada@gmail.com
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”. Misaotra betsaka.
Publicités

Publié par filazantsaramada

Feon'ny Filazantsara

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l'aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :