NY ZAVATRA REHETRA DIA HAIN’ANDRIAMANITRA.


« Dia nandray ny mofo Jesosy; ary rehefa nisaotra, dia nizara izany tamin’izay nipetraka hihinana Izy; ary hazandrano koa araka izay nilainy. » Jaona 6:11

Onena ny olona Jesosy. Manetry tena Izy ka maka ny toerana maha olona Azy. Na dia Andriamanitra aza Jesosy dia tsapany ny hamafin’ny hanoanana eo amintsika. Te hitsinjo antsika Izy. Misy tsy fahampiana ve eo amin’ny fiainantsika? Fantatr’I Jesosy io ary fantany ny tokony ataony amintsika. Hoy ny teniny: izay mangataka no omena. Mila maneho ny zavatra ilaintsika aminy isika. Tian’I Jesosy hanolotra izay kely eo amintsika isika. Mofo dimy sy hazandrano roa ve! Tena tsy misy dikany izany amin’ny sakafo tokony ho an’ny olona dimy arivo mahery. Kanefa tian’i Jesosy hanome ny anjara avy amintsika isika na dia tsy misy dikany amin’izay ilaina aza. Hanala fanadinana ve hianao? Tena kely ny fahaizanao? Atolory an’i Jesosy izay kely anananao dia Izy no hampitombo izany. Sahirana ve hianao? Tsy misy arotsaka ho an’ny ankohonanao? Atolory an’i Jesosy na dia eran’ny sotro aza, ary isaory azy alohan’ny handrotsaka, Izy no hampitombo izany hahavoky ny ankohonanao…Mitobaka ny fahasoavana eo amin’i Jesosy: Nisy ambiny roambin’ny folo harona. Ho hitantsika ny fitobahan’ny fahasoavana amin’ny fahatokiantsika an’i Jesosy amin’izay rehetra ataontsika. Manankarena Jesosy. Aoka tsy ny hanina ho an’ny nofo ihany no hahavariana antsika fa ny hanina mandrakizay dia ny fananana an’i Jesosy ho Tompon’ny fontsika, ka na dia mahantra aza isika, na kely aza ny finoantsika, dia aoka atolotsika ho Azy fa Izy no hampitombo izany. Aza kivy. Mahereza.

Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

FEON’NY FILAZANTSARA
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail : lhmmada@gmail.com
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”. Misaotra betsaka.
Publicités

Publié par filazantsaramada

Feon'ny Filazantsara

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l'aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :