NY FANOAVANA MARINA NY TENY


« Aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao. » Lioka 1:38

Anjely tonga miresaka aminao: tsy mahazatra izany ary tsy mahagaga raha natahotra i Maria. Hoy ilay anjely: aza matahotra. Fanahiana sy tahotra no mahazo antsika rehefa zavatra tsy mahazatra no mitranga. Mampitony antsika amin’izany Andriamanitra. Misy tenin’Andriamanitra tonga amintsika ve eo amin’ny toe-javatra izay tena ilàntsika ny hevitry ny Tompo Jesosy? Aoka isika tsy hanahy fa hain’Andriamanitra ny zavatra rehetra ary tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra Ataony. Fahasoavana lehibe ho antsika ny hoe: mahita fitia eo anatrehan’Andriamanitra: voambolana mahafinaritra tokony hahafaly antsika izany. Tia antsika Izy. Aoka isika hanana ny Fanahin’ny fanekena ny tenin’Andriamanitra. Toy izany no nataon’I Maria. “Aoka ho tonga amiko araka ny teninao” Lioka 1:38. Hoy ny teny hoe: “Izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra” (Jaona 1:12). Ny zanak’Andriamanitra no mahita fitia eo anatrehan’Andriamanitra. Aoka ary isika handray an’I Jesosy dia hahita fitia eo anatrehany, ary hanaiky ny teniny ka hilaza hoe: aoka ho tonga amiko araka ny Teninao. Izay no fanoavana marina ny Teniny. Jesosy hampahery antsika.

FEON’NY FILAZANTSARA
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail : lhmmada@gmail.com
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”. Misaotra betsaka.
Publicités

Publié par filazantsaramada

Feon'ny Filazantsara

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l'aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :