NY FODIAN’NY FIFALIANA AMIN’ANDRIAMANITRA

« Ny fo torotoro sy mangorakoraka Andriamanitra o, tsy mba ataonao tsinontsinona. » (Salamo 51:17b) Inona moa izany fo torotoro sy mangorakoraka izany? Efa akaiky ny alahelo mafy ao am-po izany. Azo ambara hoe fanenenana mafy. Raha ny eto amin’ity Salamo faha 51 ity dia ny fifonan’ny olona iray nanohitra ny sitrapon’Andriamanitra na nanota ka nahatezitra an’Andriamanitra. […]