FAMELAN-KELOKA, FIAINANA MANDRAKIZAY.

« Fa izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra » (Matio 23:12) Mety hanakana antsika tsy hiaiky heloka ny zavatra vitantsika na ny ezaka ataontsika samirery, ka mahateny isika hoe: izaho nanaraka ny lalana tsara, izaho nanao ny marina; koa raha handinitena isika, dia toa tsy mahita izay fahotana natao, fa toa tsara daholo […]

MAZAVA AO AMIN’NY MAIZINA.

« Ary tamin’izany andro izany dia nanomboka nitoriteny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra. » Matio 4:17 Hoy ny (Matio 4:16a): «Ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina dia nahita mazava lehibe». Fantatsika fa «ny finoana dia avy amin’ny toriteny ary ny toriteny dia avy amin’ny tenin’i Kristy» (Romana 10:17). Ny […]

NY FAHAMARINANA AVY AMIN’ANDRIAMANITRA

“Fa ankehitriny dia efa naharihary ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra, tsy amin’ny lalàna anefa, fa ambaran’ny lalàna sy ny mpaminany,” (Romana 3:21) Ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo dia nitandrina mafy ny lalàna. Niteny Jesosy fa “… Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalаna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy hianareo” […]

NY FIETREN’ I KRISTY SY NY FISANDRATANY

« Fa izany no nahafatesan’i Kristy sy nahavelomany indray, mba ho Tompon’ny maty sy ny velona Izy. » (Romana 14:9) Ny hamaha ny famatoran’ny faharatsiana sy ny famatoran’ ny fahotana no anton-dian’i Kristy tety an-tany. Ho an’izay manaiky ho vonjena ihany anefa ny famonjena. Afaka manompo zavatra hafa ny olona, ary mety atakalony an’ireny hatramin’i Jehovah Andriamanitra […]