NY FIETREN’ I KRISTY SY NY FISANDRATANY


« Fa izany no nahafatesan’i Kristy sy nahavelomany indray, mba ho Tompon’ny maty sy ny velona Izy. » (Romana 14:9)

Ny hamaha ny famatoran’ny faharatsiana sy ny famatoran’ ny fahotana no anton-dian’i Kristy tety an-tany. Ho an’izay manaiky ho vonjena ihany anefa ny famonjena. Afaka manompo zavatra hafa ny olona, ary mety atakalony an’ireny hatramin’i Jehovah Andriamanitra izay namorona azy aza. « Moa mahay manao andriamanitra ho azy va ny olona? Tsy Andriamanitra ireny » (Jeremia 16:20). Koa Tompon’ny olona izay manana an’i Jehovah ho Andriamanitra i Kristy. Maty ho an’izay olona manana an’i Jehovah ho Andriamanitra I Kristy, ary velona ho an’izay manana an’i Jehovah ho Andriamanitra Izy. Famonoana ny fahotan’izay mino an’i Kristy ny fahafatesan’i Kristy. Izany no anton’ny batisa, fahafatesana miaraka ami’i Kristy noho ny ota mba ho diovina. Fiainana ho olom-baovao kosa ny fitsanganan’i Kristy ho an’ny olona Mino Azy. Koa na inona na inona no ataon’ny mino dia aoka ataony ho an’ny Tompo izany. Raha mianatra hianao: ataovy ho an’ny Tompo ny fianaranao. Raha miasa hianao: ataovy ho an’ny Tompo ny asanao. Raha mihinana hianao dia hano ho an’ny Tompo izay hohaninao. Aoka tsy hifampitsara na ny mihinana na ny tsy mihinana raha ho an’ny Tompo izany. Fa ny fifadiana ankasitrahana dia ny famahana ny famatoran’ny fahotana. Mba ho an’ny Tompo tokoa ary izay rehetra ataontsika. Mba ho Tompontsika Izy na maty isika na velona.
Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

FEON’NY FILAZANTSARA
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail : lhmmada@gmail.com
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”. Misaotra betsaka.
Publicités

Publié par filazantsaramada

Feon'ny Filazantsara

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l'aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :