NY FANASAN’ANDRIAMANITRA


« Fa maro ny antsoina, nefa vitsy no fidina »(Matio 22:1-14)

Hoy ny voasoratra ao amin’ny (Apokalypsy 19:9):
«…Sambatra izay nantsoina ho amin’ny fanasana fampakaram-badin’ny Zanak’ondry». Andriamanitra no tompon’ny fanasana. Asainy isika hiditra ao amin’ny Fanjakàny. Ny endriky ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy inona akory fa ny Fiangonana. Ao no hizaran’Andriamanitra ny Teniny sy ny Sakramentany masina. Misy amin’ireo tafiditra ao amin’ny fanasana no tsy mety mahita fifaliana sy fahasambarana. Tsy mahagaga izany satria izay rehetra tafiditra ao amin’ny fiangonana dia tsy ho nahazo ny fanasan’Andriamanitra avokoa akory. Anisan’ireny ireo mihevitra fa fiangonan-drazany io fiangonana io; ka izay no hidirany ao. Tsy mahita fahasambarana izay rehetra miantehitra amin’ny fanasana hafa ivelan’Andriamanitra. Sambatra kosa anefa isika izay mahazo ny fanasana avy aminy ary misy ny tombo-kase manokana; dia ny rà soan’I Jesosy Kristy Tompo izany. Raha manasa anao Andriamanitra; aza lavina mihintsy. Hoy Jesosy: «…Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana;»(Jaona 14:6a). Andeha àry isika hanaraka an’I Jesosy ka hiara-miditra aminy ho ao amin’ny fanasana masina. Ekeo ny fitondràny fa ianao no efa nofidiny. Ho Azy irery ny voninahitra. Amen!
Jesosy Kristy Tompo mampahery anao.

FEON’NY FILAZANTSARA
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail : lhmmada@gmail.com
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”. Misaotra betsaka.

Publié par filazantsaramada

Feon'ny Filazantsara

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l'aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :