Jehovah Andriamanitra miantso olona ho mpiara-miasa Aminy


Perikopa: (Matio 25:14-30)

«Fa izay rehetra manana dia homena, ka hanam-be izy; fa izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia halaina aminy. » (Matio 25:29)

Nisy fanoharana nataon’i Jesosy. Lehilahy miantso ny mpanompony, dia nanolotra azy ny fananany. Samy manana ny toetrany ny olona antsoina. Misy ny mahatoky raha nomena andraikitra. Mahazo sitraka avy amin’ny Tompony izany. « Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ny kely hianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin’ny fifalian’ny tomponao » (Matio 25:23). Misy ny mpanompo ratsy. Ratsy saina: manome tsiny ny Tompony. Tsy mankasitraka ny ataon’ny Tompony izay manome azy andraikitra sy fahatokisana amin’ny fananany. « Ry mpanompo ratsy sady malaina… tokony ho nampanàna ny volako tamin’ny mpanàna vola hianao, ka raha tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany. » (MAtio 25:26,27). Zava-dehibe ny fifidianan’ny Tompo antsika. Aoka tsy atao kitoatoa izany fa hitondra any amin’ny fahaverezana mandrakizay. « Ario any amin’ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mahasoa any no hisy ny fotomaniana sy ny fikotroha-nify » (Matio 25:30). Aoka hibebaka isika sy handray tsara ny fahatokisan’ny Tompo antsika. Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

FEON’NY FILAZANTSARA ‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’ Tél: 034 91 435 00 / E-mail : lhmmada@gmail.com / Facebook: Feon’ny Filazantsara /

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia azonao atao ny manoratra eo ambany. Misaotra indrindra tompoko.

Publié par filazantsaramada

Feon'ny Filazantsara

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l’aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l’aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :