VOASORATRA ANY AN-DANITRA


Perikopa: Lioka 10:17-20

«Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan’ny fahavalo hianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory. Kanefa aza mifaly hianareo, satria manaiky anareo ny fanahy; fa mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo.» Lioka 10:19-20)

Misy tolona tsy maintsy atrehin’ny mpino: tsy mitolona amin’ny nofo aman-drà fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao faha maizinana izao dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra. Niatrika izany tolona izany ny Zanaka dia i Jesosy ary nandresy. Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan’Andriamanitsika, ary ny fahefan’ny Kristiny, satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika. Ary izy ireo naharesy azy noho ny amin’ny ran’ny Zanak’ondry sy ny teny filazàna Azy. Ny finoantsika an’i Jesosy, eny, ny anaran’i Jesosy no aneken’ny fanahy ny mino. « Na dia ny demonia aza dia nanaiky anay noho ny anaranao» (Lioka 10:17b). Noho ny finoana ny Anaran’i Jesosy dia handresy ny hery rehetra ananan’ny fahavalo ny Mpino. Ny fandresena ny fahavalo eo ihany fa ny fanoratan’ny Tompo ny anarana any an-danitra no tena Zavatra Lehibe indrindra. Aoka ary horaisintsika ny fandresena atolotry ny Tompo antsika dia tsy hamono ny anarantsika eo amin’ny bokin’ny fiainana Izy. Amen. Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

FEON’NY FILAZANTSARA ‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’ Tél: 034 91 435 00 / E-mail : lhmmada@gmail.com / Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia manorata etsy ambany na antsoy ny Feon’ny Filaza tsara. Misaotra indrindra.

Publié par filazantsaramada

Feon'ny Filazantsara

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l’aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l’aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :