Mino izay ambaran’ny Baiboly

« Izay tsy niaro ny zananilahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra? »  (Romana 8:32)

Maro ny olona no manambara ny finoany aminn’ny maha-Kristiana azy saingy amin’ny teny tsy mazava tsara. Ny an’i Filipe Alou kosa, ilay mpanazatra ny ekipa-na base-ball antsoina hoe « Expos » ao Montreal, dia novantaniny hoe: « Mino izay rehetra voalazan’ny Baiboly aho. Mino ny fisoronana lehibe, nohon’ny fahotako, izay nataon’Andriamanitra tao amin’ny Zananilahy aho. »

Izany ka fanekem-pinoana mazava  an’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, amin’ny maha-Mpamonjy ny olona tsirairay Azy. Izany no finoana mahavonjy. Jesosy tenany dia manambara fa « Tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay »(Jaona 3:16).

Tao Filipy fahizay, rehefa nivoha ny varavaran’ny fonja rehetra taorian’ilay horohorontany izay nisy tamin’izay, dia nanontany an’i Paoly sy Silasy ilay mpiandry tranomaizina, hendratrendratra be ihany « Inona no mety hataoko, mba hovonjena aho? » Dia novaliany hoe, « Minoa an’i Jesosy Tompo » (Asa. 16: 30-31). Azontsika antoka fa alohan’ny nanaovana batisa azy sy ny ankohonany, dia nohazavain’ireo mpianatra ny asa izay nataon’i Jesosy ho famonjena ny olona rehetra – dia Izy maty teo ambony hazofijaliana ka nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo.

Tsy mba nahafantatra ireo vavolombelona voalohany nanatrika, toa an’i Paoly sy Silasy, izay nitory ny fanavotana nataon’i Kristy sy ny fitsanganany tamin’ny maty isika. Kanefa tena ananantsika kosa, voarakitra an-tsoratra, ny teny nambaran’izy ireo. Ny Tenin’Andriamanitra voasoratra izany, izay vavolombelona manambara an’i Jesosy sy ny fahafenoan’ny asam-panonerana izay nataony tamin’ny nanolorany ny ainy. I Alou, voalaza ery ambony, dia nanana boky tondrozotra izay nitarika azy tamin’ny asany amin’ny maha mpanazatra ekipa-na base-ball azy; toy izany ihany, manana ny Baiboly koa izy manoro azy ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Ny tena zava-dehibe dia tsy ny fananana ny Baiboly fotsiny fa indrindra ny fitandremana ny teny izay voarakitra ao, mba hitehirizana ao am-po ny fampianarana izay atolony.

Ao amin’ny Romana toko fahavalo, dia misy famintinana nataon’i Paoly ny amin’ny fampanantenana (na ny teny fikasana) sy ny voaloham-bokatry ny fisoronana lehibe vitan’i Kristy. Raha nanao izany tamin’ny fahafenoana ve ny Ray izay any an-danitra, tsy hanome antsika toy izany koa izay ilaintsika sy angatahintsika amin’ny anaran’i Jesosy ve Izy?

Fiantohana feno ao amin’i Kristy.

Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra, nefa hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy.” (Romana 3: 23-24).

 

Ny Artikola voalohany ao amin’ny Lalam-Panorenana Amerikana, ao amin’ny fizaran-teny mahakasika ny fomba fitsinjarana ny vahoaka izay hanendry ny solontenany ao amin’ny Kongresy, dia milaza fa ny Amerikana tera-tany dia tsy misy tokony hanisàna azy (olona iray mira vato iray) fa ny andevo kosa dia tokony ho isaina satria ny andevo iray dia toy ny telo ampahadimin’ny olona iray (andevo dimy mira vato telo). Soa ihany fa nofoanana izany fanavakavahana izany tamin’ny alalan’ny Fanitsiana faha XVI ny Lalam-Panorenana izay milaza fa mitovy ny fomba fijerena ny olona rehetra amin’ny maha-olom-pirenena azy “na teraka tany Etazonia izy na tsy teraka tany kanefa voaray ho isan’ny zana-tany taty aoriana”. Ny ataon’Andriamanitra kosa dia hafa. Ny fanambarany dia tsy hisy fanitsiana mandrakizay.

Mpanota avokoa ny olona rehetra, tsy ankanavaka – tsy niova izany hatramin’ny naha-lavo an’i Adama sy Eva ny amin’ny ota. Tsy niova toy izany koa ny teny fikasana ny amin’ny fahasoavan’Andriamanitra, tanteraka ao amin’i Jesosy Kristy. Fa hoy Andriamanitra : “Fa tsy misy hafa, fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra.” (Romana 3:24). Tsy niova koa ny làlam-pamonjena : ny olona rehetra dia hamarinina amin’ny finoana ny fanavotana izay ao amin’i Kristy. (Romana 3:24).

Isam-potoana hatramin’ny andro taloha, dia nisy ny milaza fa hiverina amin’ny olona indray ny voninahitra avy amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny fiezahan’ny tenany manokana. Raha marina izany, dia azontsika hialana ny finoantsika an’i Kristy amin’ny maha-Mpamonjy azy, satria afaka hamonjy ny tenany izany ny olona, na amin’ny ampahany na amin’ny fahafenoany.

Ary satria ny maha-mpanota antsika olombelona dia mitoetra mandrakariva, dia toy izany koa, no ilàntsika ny hitoetra mandrakariva amin’ny fahasoavan’Andriamanitra mamonjy antsika. Amin’ny fanekena vaovao ataon’Andriamanitra amintsika, izay sata mifehy ny famonjena antsika, dia miantoka antsika feno Izy (toy ny ataon’ny tranom-piantohana iray). Tsy misy amintsika ho tavela ivelan’izany fiantohana feno izany; tsy misy izay hotenenina hoe havotana amin’ny ampahany ihany izy (ohatra, amin’ny telo ampahadiminy) ka tsy maintsy hataony samirery izay hahatanteraka ny sisa tsy vita. Tsy misy hoe ity mbola misy ambim-bola (trosa) tokony hefainao, hoatran’ny hoe naloan’i Kristy ny ampahany tamin’ny trosanao ary tompon’andraikitra amin’ny fanefana ny ambiny ianao. Tsia, Jesosy dia maty mba hitondra famonjena feno sady maimaimpoana ho antsika tsirairay avy.

VATSIM-PANAHY

Teny Fanasina : Salamo 141: 2 “Aoka hankeo aminao mandrakariva toy ny ditin-kazo manitra ny fivavako, ary ho toy ny fanatitra hariva ny fanandratako ny tanako…

Tsy dia mahazatra ahy loatra ilay ana-madinika manitra antsoina hoe ‘thym’ (nogasiana hoe dità). Raha somary mba nikaroka kely sy nandalina ny momba azy io aho dia voalaza fa anisan’ny tena manana fofona mahery sady mahamanitra sakafo izy io, saingy tsy nisahirana ny hitady azy aho, mba hahazoako marina izay tena fofony sy hanandramana ny tsirony, fa dia nanaiky sy nino fotsiny izay voalazan’ny boky sy ny raki-bolana nokarohiko momba azy.

Rehefa lasa lavidavitra ny fikarohana nataoko tao amin’ny raki-bolana dia voalaza fa mety ho nindramina tamin’ny fototeny Latina sy Grika izay azo adika hoe “fanahy” ny hoe “thym”. Azo heverina fa ilay vavaka miakatra toy ny fofona ditin-kazo manitra, no ao ambadik’izany. Tena tandrify tokoa ny fotoam-bavaka santarintsika amin’izao herinandro fanombohana ny Advento izao izany. Noharin’i Davida tamin’ny fofona ditin-kazo manitra manentoento tokoa ny vavaka nasandrany teo anatrehan’Andriamanitra, rehefa nanandratra ny tanany izy tamin’ny fivavahan-kariva. Efa nivavaka tamin’ny Tompo ve ianao andro-any? Eny fantatro fa zoma ny andro! Sao dia heverinao kosa ary fa tsy fotoana fivavahana izao satria tsy misy fanompoam-pivavahana nomanina manokana any am-piangonanao any? Moa tsy tokony ho feno vavaka mandrakariva ve ny fiainantsika? Izay rehetra ataontsika sy tenenintsika dia mova tsy toy ny vavaka ataontsika eo anatrehan’Andriamanitra tahaka ireo zava-manitra sy ditin-kazo dorana amin’ny fotoam-pivavahana fanao tao amin’ny Tempoly, ka miakatra sy tonga eo anatrehan’ny seza fiandrianan’ny fahasoavan’Andriamanitra? Fotoana tokony hankalazana sy hivavahana mba hahatongavan’ny Mpanjaka izao!

Tonom-bavaka : Tompo ô! Miantso Anao aho, faingàna ary mihainoa ny fivavako raha miantso Anao aho. Aoka ho toy ny ditin-kazo manitra mani-pofona tokoa ny fivavako. Aoka ny foko tsy hovoatarika amin’ny ratsy sy ny asa ratsy rehetra. Aoka ny masoko hibanjina Anao mandrakariva fa ao Aminao no hahitako fitsaharana. Amen.

Tsirom-piainana : Mba andramo tokoa anie ity fomba ity e!: mangalà zava-manitra iray izay tena mba ankafizinao ary avelao hanentoento ao amin’ny efitra anaovanao fotoam-pivavahana ny fofona.

Feon’ny Fialazantsara

Vatsim-panahy

Ry havana malala, tapaka sy namana hajaina,

‘Hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika.’ (2 Pet. 1:2)

Fifaliana ho an’ny Feon’ny Filazantsara ny manao izao ‘vatsim-panahy’ mivoaka isan-andro izao, ho fanamarihana ny tonon-taonan’ny Advento 2009, Taom-baovaon’ny Fiangonana. Halefanay isan-andro aminao izy ity, manomboka anio Alahady 29 Novambra hatramin’ny Alahady 3 Janoary 2010.

‘Vatsim-panahy isan-andro’ navoakan’ny Lutheran Hour Ministries, foiben’ny Feon’ny Filazantsara any Etazonia izy ity, no nadikan’ny Feon’ny Filazantsara amin’ny fiteny Malagasy, ary nampifanarahany amin’ny zava-misy mba hahazoantsika rehetra mamaky ary koa mampiasa azy eo amin’ny sehatra rehetra izay misy antsika, na ny tsirairay am-batana, na an-tokantrano, na Fiangonana, na sehatra hafa koa.

Mety ho hafa kely aminao mpamaky ihany ny fomba isehoan’ny vatsim-panahy izay hovakianao isan-andro ato, dia ny amin’ireo sarisary mikasika sakafo sy ‘hanitra’ samihafa ampiasain’ny mpanoratra ampidirany ny votoatin-dresaka isan-andro. Mety ho tsy mahazatra ny sasantsasany ihany koa aza ny voam-bolana sy ny toe-javatra ho hitany ato. Antenainay anefa fa tsy ho sakana ho anao izany, handraisanao ny hafatra avy amin’Andriamanitra izay entin’ity ‘vatsim-panahy’ ity amin’izao Advento izao.

Fanombohana ihany izao hatao mandritra ny vanim-potoanan’ny Advento izao; raha hita fa mahaliana antsika mpamaky, dia hotohizana ny fandefasana izany, manomboka amin’ny Janoary 2010, amin’ny alalan’ny E-mail toy izao, mety ho isan-kerinandro raha sitrapon’Andriamanitra; ary ny irina, dia ho famoahana vitantsika avy eto an-toerana manontolo no atolotra amin’izany.

Koa aza misalasala ary manatona na manoratra aty amin’ny Feon’ny Filazantsara fa famporisihina lehibe ho anay izany; fifaliana ho anay tokoa raha mba afaka mifandray isika, amin’ny alalan’izao ‘Vatsim-panahy’ izao, hahazoanay mandray izay mety ho fanamarihana na famporisihana avy aminao. Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany anie izany !

Hitondra soa ho antsika rehetra anie izao ‘Vatsim-panahy isan-andro’ izao, ary hanampy antsika hamakivaky izao Advento 2009 izao.

ANDREAS Richard

Filohan’ny Komitin’ny Feon’ny Filazantsara

ANDRIANASOLO Jaona

Talen’ny Feon’ny Filazantsara

Nota : Sitrakay tokoa ny hizara izao ‘Vatsim-panahy isan-andro’ izao aminao.

Kanefa raha sanatria misy lafiny tsy mampazoto anao handray izany, dia miangavy indrindra anao an-tanandroa izahay hampahafantatra izany aminay mba hanajanonanay ny fandefasanay azy aty aminao; zonao izany. Misaotra indrindra Tompoko.

Tsidiho ny SiteWeb ny Feon’ny Filazantsara (www.filazantsara.org)