NY FINOANA AN’I JESOSY.

« Dia hoy i Maria: inty ny ankizivavin’ny Tompo; aoka ho tonga amiko araka ny teninao. Dia nandao azy ilay anjely. » (Lioka 1:38)

Jehovah Andriamanitra dia miteny amintsika olombelona amin’ny alalan’ny zavaboahary sy ny asany rehetra. Eto Izy dia miteny amin’i Maria tamin’ny alalan’ny anjely nirahiny, izay mampahafantatra ny teny fikasana omen’i Jehovah an’i Maria. Ny teny fikasana dia «hitoe-jaza izy na dia mbola virijiny aza»: «…ny Fanahy Masina ho tonga aminao ary ny Avo Indrindra no hanaloka anao…» (Lioka 1:35). Nino Maria! Na dia tsy fantany aza izay lazain’ilay anjely, na dia tsy azony an-tsaina aza ny ambaran’ilay anjely dia nino ihany izy: «Inty ny ankizivavin’ny Tompo; aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao» (Lioka 1:38). Sarotra inoana, nefa nino ihany izy. Ary mbola nampiany fanolorantena izany finoany izany. Inty ny ankizivavin’ny Tompo. Ilay anjely niteny hoe: « tsy misy tsy ho tanteraka ny teny rehetra nataon’Andriamanitra. » Dia mbola nino izany ihany i Maria. Aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao. Tsy fanekena ihany fa tena faniriana koa: Aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao. I Abrama izay lasa Abrahama koa dia nasain’i Jehovah niala tamin’ny taniny sy ny havany ary ny tranon-drainy. «Mandehana miala amin’ny taninao sy ny havanao ary ny tranon-drainao hankany amin’ny tany izay asehoko anao» Genesisy 12:1). Asain’i Jehovah miala amin’izay rehetra azony ianteherana, izay tiany, izay nahazatra ary handeha amin’izay tany tsy fantatra, fa Jehovah ihany no mahafantatra: Tany izay asehoko anao. Nino sy nahatoky an’i Jehovah i Abrahama ka nandeha. Jehovah no miantoka: hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao. Miandany amin’izay mino Azy Jehovah Andriamanitra. Tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’Andriamanitra. Tanteraka tamin’i Abrahama sy i Maria tokoa izay teny nolazain’i Jehovah azy ireo. Fantatsika ny tantara fa tanteraka ny Tenin’i Jehovah. Teraka Ilay Mpamonjy ary Izy no nitondra ny Famonjena ho an’izao tontolo izao, Izy no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany. Isika izay mandre ny Teny ankehitriny koa dia isan’izay mahazo ny teny fikasana, ka hiteny amin’ny Tompo hoe: inty aho ry Tompo, aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao. Hanaiky ny andraikitra rehetra izay omen’ny Tompo. Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

FEON’NY FILAZANTSARA ‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’ Tél: 034 91 435 00 / E-mail : lhmmada@gmail.com / Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia manorata eo ambany. Misaotra indrindra.

MITSANGANA, MIHAZAVA

« Mitsangàna mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr’i Jehovah efa miposaka aminao. » (Isaia 60:1)

Io no fiarahabana anao amin’izao fiatrehana ny taona vaovao izao. Efa tonga tokoa ny fahazavànao, dia Ilay Teny tonga nofo. Nomen’ny Tompo anao ireo teniny nandritra ny taona. Tia anao Jesosy, ary fitiavana mandrakizay no efa nitiavany anao. Ao ireo asan’ny maizina misy: vono olona, halatra, fijangajangana,…manodidina antsika. Kanefa matoky anao Jesosy, manantena anao ny Tompo. Mazava ianao noho ny Teniny. Mitsangàna, mihazavà. Indro ny aizina, manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa aminao no iposahan’i Jehovah, ary aminao no isehoan’ny voninahiny. Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

FEON’NY FILAZANTSARA ‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’ Tél: 034 91 453 00 / E-mail : lhmmada@gmail.com / Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tongava manatona ny Feon’ny Filazantsara. Misaotra indrindra tompoko.

FANTATRAO TSARA VE JESOSY AMBARANAO ?

«Izy no ilay voasoratra hoe: « Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny làlanao eo alohanao » (Mal 3.1).» (Matio 11:10)

Jaona mpanao batisa, no ilay nolazain’ny Soratra Masina hoe: « Injany misy feon’ny miantso mafy any an’efitra hoe: Amboary ny làlan’i Jéhovah, ataovy mahitsy ny lalan-kalehany. » (Matio 3:3). Izy no mpialoha làlana. Tsy mandry ny sainy ny amin’ny hoe ity Jesosy ity marina ve no Ilay hialohavany Làlana. Toy izany koa isika; mila fantatsika tsara izay torintsika amin’ny hafa: Iza marina Jesosy? Hoy Jesosy tamin’ny mpianatr’i Jaona: mandehana ambarao amin’i Jaona izao hitanareo sy renareo izao. (Diovina ny boka…). Jesosy tokoa no Kristy. Hita sy re ny momba Azy fa Izy no ilay Mazava.  » Moa entina va ny jiro mba ho saronan’ny vata famarana, na atao ambany farafara? ». Jesosy mahalala ny momba an’i Jaona rehetra: tena Andriamanitra Izy. Jaona kosa nila naniraka mpianatra hanontany. Fotoana izao, Advento anehoana fa efa tonga Ilay nandrasana ary efa nodiaviny hatramin’ny farany ny làlana nialohavan’i Jaona Azy ary nitenenany hoe: «Vita». Isika koa ry havana raha nolazaina hoe: « Iny Jesosy izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy ho any an-danitra. »; moa mba hino ve isika fa TSY MAINTSY ho avy tokoa Izy? Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

FEON’NY FILAZANTSARA ‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’ Tél: 034 91 435 00 / E-mail : lhmmada@gmail.com / Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tongava manatona ny Foibe Feon’ny Filazantsara Lot II V 72 bis Bel Air Ampandrana. Misaotra indrindra.

ATAOVY NY ADIDINAO

« Dia hoy Jesosy taminy: aloavy ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra. » (Matio 22:21)

Hoy isika: ‘Fakam-panahy ny vola’. Marina tokoa izany. Sarotra ho antsika olombelona ny ivoaham-mbola raha ivelan’ny sitrapontsika, indrindra fa raha andoavana hetra na andoavana adidy any am-piangonana. Nefa raha izao ambaran’i Jesosy izao dia tokony ataontsika avokoa izany adidy izany. Mitaky fanetren-tena araka izany ny fanaovana adidy. Mety alaim-panahy hitsara ny fitondràna misy ny olona, kanefa araka izao voalaza izao dia tokony omena an’i Kaisara izay an’i Kaisara. Mety misy koa ny tsy rariny na dia eo amin’ny fitondram-piangonana aza, kanefa aloavy ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra. Mijery izay ataontsika Andriamanitra, tahaka an’i Jesosy nipetraka tandrifin’ny fandatsahan-drakitra: mijery ny fandatsaky ny vahoaka vola tao Izy. Mitaky finoana koa anefa na dia ny fanaovana adidy aza. Tsy nanan-kaloa Jesosy sy Petera satria tsy nisy teo am-pelatanany, fa Jesosy nahita fomba mahagaga handoavana ny anjaran’Izy sy Petera. Antsoy ny Tompo amin’izay mavesatra amintsika rehetra. Raha hino isika dia ho hitantsika ny voninahitr’Andriamanitra. An’Andriamanitra ny zavatra rehetra. Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

FEON’NY FILAZANTSARA ‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’ Tél: 034 91 435 00 / E-mail : lhmmada@gmail.com / Facebook: Feon’ny Filazantsara

Misaotra indrindra.

NY VOA TSARA

«Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy.» (Matio 7:17)

Raha ny fahatsarana dia samy ratsy daholo isika rehetra, hoy ny Soratra Masina ao amin’ny epistily ho an’ny Romana: tsy misy tsara na dia iray aza. Iza ihany ary no afaka hamoa voa tsara raha tsy misy tsara na dia iray aza? Ny olona mino ny mpanamarina ihany ka manaiky ho hamarinina no marina: ny marina amin’ny finoana no ho velona. Fantatsika fa izay rehetra manatona ilay mpanamarina dia tsy mba ho laviny mihitsy. Izay tarihin’ny Fanahy Masina no afaka manatona Azy. Ary izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra. Misy mantsy ny olona manaiky ho tarihin’ny fanahy ratsy fa tsy manaiky ho tarin’ny Fanahin’Andriamanitra ka manao fanekena amin’ny fanahy ratsy dia ny fanahy ratsy no mitarika azy hamono olona, na hanao izay rehetra hahafaly ny fanahy ratsy. Samy ratsy nefa afaka mifidy izay tompontsika isika. Raha hanaiky ho tarihin’ny fanahy ratsy isika dia tsy afaka hanatona an’Andriamanitra. Fa raha tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra isika dia halahelo noho ny faharatsiana, ka haniry ny hiverina amin’Andriamanitra, ary tsy ho faly hitoetra na hipetraka eo amin’izany faharatsiana izany, lavitra an’Andriamanitra. Fa tsy lalàna, fa fahamarinana amin’ny finoana. Raha ny lalàna dia mety ho nirahareha hoe nahavita izao na nahavita iroa aho. Fa ny finoana an’Ilay Mpanamarina no mahavelona ahy. Ratsy ve ianao? Nanao ratsy ve? Miverena amin’i Jesosy dia horaisny. Raha mino Ilay Mpanamarina dia Jesosy Kristy isika dia hiverina aminy isan’andro, ary ho raisiny indray, ary hiray aminy ka hamoa voa tsara. Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

FEON’NY FILAZANTSARA ‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’ Tél: 034 91 435 00 E-mail : lhmmada@gmail.com Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tongava manatona ny Foibe Feon’ny Filazantsara etsy Ampandrana Bel air Lot II- V 72 Bis. Misaotra indrindra.

RAY MPAMINDRA FO

« Aoka ho mpamindra fo hianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo. » (Lioka 6:36)

Ny Kristiana dia manana Ray mpamindra fo, Jehovah no anarany, Ray mandray ho an’ny tenany izay manjo ny zanany, tian’i Jesosy hananan’ny kristiana koa izany toetra mpamindra fo izany. Amin’ny maha Andriamanitra Azy dia afaka manafay na mamindra fo amin’ny zanany ny Ray. Aoka ho tsarovana fa saro-piaro Izy ary mety tezitra koa. “Zavatra mahatahotra ny ho azon’ny tanan’Andriamanitra velona.” (Hebreo 10:31). Manambara ny sarin’ny hazo fijaliana izao sary eto izao. Andriamanitra mamindra fo amin’ireo zanany ary ny olona mamindra fo amin’ny namany. Koa aoka hitandrina isika fa misy ny mpiampanga izay fantatsika fa izany no asany ary tsy tia famindrampo izy. Efa voatsara mialoha rahateo ity mpiampanga ity. Aoka ary isika ho tahaka ny Raintsika izay mpamindra fo. Jesosy Kristy hampahery anao. Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

FEON’NY FILAZANTSARA ‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’ Tél: 034 91 435 00 / E-mail : lhmmada@gmail.com / Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tongava manatona ny Foibe Feon’ny Filazantsara Ampandrana, Bel air – lot II V 72 Bis, Antananarivo. Misaotra indrindra tompoko

IZY NO HO VAVOLOMBELONA HANAMBARA AHY.

« Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin’ny Ray, dia ny Fanahin’ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin’ny Ray, dia Izy no vavolombelona hanambara Ahy. Ary hianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria hianreo efa teto amiko hatramin’ny voalohany. » (Jaona 15:26 -27)

Jesosy manambara ny zavatra hitranga aoriana amin’ny mpianatra, indrindra ny ahatongavan’ny Fanahy Masina izay ambaran’ny Tompo hoe Mpananatra. Raha ny lazain’i Jesosy dia afaka maniraka ny Fanahy Masina Izy. Anarana iray ilazany Azy koa dia ny hoe Fanahin’ny fahamarinana, Fanahy izay mampiaiky ny fahamarinana satria tsy hahita Azy intsony ny mpianatra. Ho vavolombelona hanambara an’i Jesosy ny Fanahy, tahaka ny mpianatra koa satria efa teo amin’ny mpianatra Jesosy. Hisy ny fanenjehana ireo mpianatra. Eo no tokony hijoroany ho tena vavolombelona. Ho tena mpianatra. Hifankatia tsara, fa ny fitiavana manarona fahotana maro. Ny manjo ny mpianatra dia mety hanjo ny Kristiana rehetra, koa tokony hifankatia koa ny Kristiana rehetra, hifampiantrano, hifanompo. Raha miteny aza dia tokony hitandrina amin’izay lazainy, ary toy ny milaza tenin’Andriamanitra. Efa antomotra ny faran’ny zavatra rehetra. Koa raha tsy nahatanteraka izany hafatry ny Tompo izany isika dia tokony hifona aminy, ka hiverina amin’ny làlana natorony. Hoy ny teniny: Hofafazako rano madio hianareo ka hadio, ny mba ho afaka amin’ny fahalotoanareo: azo ambara amin’io hoe fafazana rano madio io ny Fanahy. Aoka ary isika hanaiky hofafazan’ny Tompo rano madio. Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

FEON’NY FILAZANTSARA ‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’ Tél: 034 91 435 00 / E-mail : lhmmada@gmail.com / Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia aza misalasala manatona ny foibe Feon’ny Filazantsara Ampandrana Bel air lot II v 72 Bis. Misaotra indrindra tompoko.

IZY NO HO VAVOLOMBELONA HANAMBARA AHY.

« Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin’ny Ray, dia ny Fanahin’ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin’ny Ray, dia Izy no vavolombelona hanambara Ahy. Ary hianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria hianareo efa teto amiko hatramin’ny voalohany. » ( Jaona 15:26,27)

Jesosy manambara ny zavatra hitranga any aoriana amin’ny mpianatra, indrindra ny ahatongavan’ny Fanahy Masina izay ambaran’ny Tompo hoe Mpananatra. Raha ny lazain’i Jesosy dia afaka maniraka ny Fanahy Masina Izy. Anarana iray ilazàny Azy koa ny hoe Fanahin’ny fahamarinana, Fanahy izay mampiaiky ny fahamarinana satria tsy hahita Azy intsony ny mpianatra. Ho vavolombelona hanambara an’i Jesosy ny Fanahy, tahaka ny mpianatra koa satria efa teo amin’ny mpianatra Jesosy. Hisy ny fanenjehana ireo mpianatra. Eo no tokony hijoroany ho tena vavolombelona. Ho tena mpianatra. Hifankatia tsara, fa ny fitiavana manarona fahotana maro. Ny manjo ny mpianatra dia mety hanjo ny Kristiana rehetra, koa tokony hifankatia koa ny Kristiana rehetra, hifampiantrano, hifanompo. Koa raha miteny aza dia tokony hitandrina amin’izay lazainy, ary toy ny milaza tenin’Andriamanitra. Efa antomotra ny faran’ny zavatra rehetra. Koa raha tsy nahatanteraka izany hafatry ny Tompo izany isika dia tokony hifona aminy, ka hiverina amin’ny làlana natorony. Hoy ny teniny: Hofafazako rano madio hianareo ka hadio, ny mba ho afaka amin’ny fahalotoanareo: azo ambara amin’io hoe fafazana rano madio io ny Fanahy. Aoka ary isika hanaiky hofafazan’ny Tompo rano madio. Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

FEON’NY FILAZANTSARA ‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’ Tél: 034 91 435 00 / E-mail : lhmmada@gmail.com / Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia aza misalasala miantso ny Feon’ny Filazantsara. Misaotra indrindra tompoko.

FANOMEZAM-PAHASOAVANA MARO KARAZANA

“Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany.” (I Korintiana 12:4)

Indraindray ny Baiboly dia mampitaha ny olombelona amin’ny voninkazo, mba anehoana amin’ny fiainana andavanandro fa fohy sy marefo ny fiainana. Azo marihina koa fa, toy ny voninkazo, ny olombelona dia maro karazana. Miseho ho maro karazana izy amin’ny fomba fisehony sy ny toerana ahitana azy. Ary miseho ho maro karazana izy amin’ny talenta sy ny fanomezam-pahasoavana izay ananany, araka ny asan’ny Fanahy Masina ao anatiny. Endrey ny hatsaran’ny ray na ny reny iray izay mampita amin’ny taranany ny fampiasana araka ny tokony ho izy ireo fanomezam-pahasoavana izay raisina miaraka amin’ny finoana mahavonjy an’i Jesosy Kristy. Endrey ny hatsaran’ny zanaka izay tia sy manaja, ary manoa ireo ray aman-dreniny. Endrey ny hatsaran’ny mpianatr’i Kristy izay mitory ny Filazantsarany. Toy izao no anambaran’i Paoly azy araka ny tenin’Isaia: “Akory ny hatsaran’ny tongotr’iry mitondra teny soa mahafaly” (Romana 10:15). Misy milaza hoe tsy ny tongony ihany no tsara fa ny tànany koa, ny teniny sy ny sainy. Eny, akory ny hatsaran’ireo izay manao asa am-pitiavana amin’ny anaran’ny Mpamonjy! Akory ny hatsaran’ireo izay mitafy “fitafiana tsara tarehy” (Isaia 52:1). Ny tian’izany ambara dia amin’ny finoana no itafian’izy ireo ny ankanjo fahamarinan’i Kristy. Endrika iray isehoan’ny hatsaran’ny vahoakan’Andrimanitra ny asa fanompoana izay ataony noho ny fanomezam-pahasoavana maro karazana izay nomen’ny Fanahy Masina azy ireo. Sasantsasany amin’ireo no lazain’i Paoly: “Fa ny anankiray nomen’ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny fahalalana, … ary ny anankiray finoana,… ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana ho enti-manasitrana” (1 Korintiana 12:8,9), sy ny toy izany. Iray ihany no zava-kendren’ny Fanahy Masina raha mizara ireo fanomezam-pahasoavana amin’ny karazany tena maro samihafa ireo Izy, dia izao: ny Kristiana dia tsy hanao fanekem-pinoana fotsiny fa hitory koa fa: “Jesosy no Tompo” (1 Korintiana 12:3). Endrey izany tombontsoa! Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

FEON’NY FILAZANTSARA ‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’ Tél: 034 91 435 00 / E-mail : lhmmada@gmail.com / Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tongava manatona ny Feon’ny Filazantsara. Misaotra indrindra tompoko.

Tsy maintsy tanteraka ny Teny rehetra ataon’Andriamanitra.

Perikopa : Lioka 1 :26-38

«Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’Andriamanitra.» (Lioka 1:37)

« Hoy Jehovah tamin’i Abrahama: Ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’nytany. » Teny fikasana nitaky finoana tamin’i Abrahama. Na dia tsy nisy nanantena azy intsony aza (antitra bé izy mivady) dia nino ihany izy ary nisaina ho fahamarinana izany. Ary avy amin’ny taranany, Jesosy Kristy ‘Imanoela,’ no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany. Ilay Zanakondrin’Andriamanitra manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao. Indro, hanan-anaka ny virjiny ka hiteraka zazalahy: ‘Imanoela’. Nino ny teny fikasana koa i Maria virjiny: inty ny ankizivavin ny Tompo, aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao. Nandalo fizahan-toetra izy kanefa dia nahazo ny teny fikasana, Ary tanteraka ihany izany Teny izany. Isika rehetra koa mila mino ny famonjena nomen’Ilay Zanaka mba ho tanteraka amintsika ny famonjena. Jesosy Kristy Tompo mampahery anao.

FEON’NY FILAZANTSARA ‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’ Tél: 034 91 435 00 / E-mail : lhmmada@gmail.com / Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tongava manatona ny Feon’ny Filazantsara Lot II V 72 Bis Bel air Ampandrana Antananarivo. Misaotra indrindra.