Fiantohana feno ao amin’i Kristy.


Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra, nefa hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy.” (Romana 3: 23-24).

 

Ny Artikola voalohany ao amin’ny Lalam-Panorenana Amerikana, ao amin’ny fizaran-teny mahakasika ny fomba fitsinjarana ny vahoaka izay hanendry ny solontenany ao amin’ny Kongresy, dia milaza fa ny Amerikana tera-tany dia tsy misy tokony hanisàna azy (olona iray mira vato iray) fa ny andevo kosa dia tokony ho isaina satria ny andevo iray dia toy ny telo ampahadimin’ny olona iray (andevo dimy mira vato telo). Soa ihany fa nofoanana izany fanavakavahana izany tamin’ny alalan’ny Fanitsiana faha XVI ny Lalam-Panorenana izay milaza fa mitovy ny fomba fijerena ny olona rehetra amin’ny maha-olom-pirenena azy “na teraka tany Etazonia izy na tsy teraka tany kanefa voaray ho isan’ny zana-tany taty aoriana”. Ny ataon’Andriamanitra kosa dia hafa. Ny fanambarany dia tsy hisy fanitsiana mandrakizay.

Mpanota avokoa ny olona rehetra, tsy ankanavaka – tsy niova izany hatramin’ny naha-lavo an’i Adama sy Eva ny amin’ny ota. Tsy niova toy izany koa ny teny fikasana ny amin’ny fahasoavan’Andriamanitra, tanteraka ao amin’i Jesosy Kristy. Fa hoy Andriamanitra : “Fa tsy misy hafa, fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra.” (Romana 3:24). Tsy niova koa ny làlam-pamonjena : ny olona rehetra dia hamarinina amin’ny finoana ny fanavotana izay ao amin’i Kristy. (Romana 3:24).

Isam-potoana hatramin’ny andro taloha, dia nisy ny milaza fa hiverina amin’ny olona indray ny voninahitra avy amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny fiezahan’ny tenany manokana. Raha marina izany, dia azontsika hialana ny finoantsika an’i Kristy amin’ny maha-Mpamonjy azy, satria afaka hamonjy ny tenany izany ny olona, na amin’ny ampahany na amin’ny fahafenoany.

Ary satria ny maha-mpanota antsika olombelona dia mitoetra mandrakariva, dia toy izany koa, no ilàntsika ny hitoetra mandrakariva amin’ny fahasoavan’Andriamanitra mamonjy antsika. Amin’ny fanekena vaovao ataon’Andriamanitra amintsika, izay sata mifehy ny famonjena antsika, dia miantoka antsika feno Izy (toy ny ataon’ny tranom-piantohana iray). Tsy misy amintsika ho tavela ivelan’izany fiantohana feno izany; tsy misy izay hotenenina hoe havotana amin’ny ampahany ihany izy (ohatra, amin’ny telo ampahadiminy) ka tsy maintsy hataony samirery izay hahatanteraka ny sisa tsy vita. Tsy misy hoe ity mbola misy ambim-bola (trosa) tokony hefainao, hoatran’ny hoe naloan’i Kristy ny ampahany tamin’ny trosanao ary tompon’andraikitra amin’ny fanefana ny ambiny ianao. Tsia, Jesosy dia maty mba hitondra famonjena feno sady maimaimpoana ho antsika tsirairay avy.

Publié par filazantsaramada

Feon'ny Filazantsara

Laisser un commentaire