Amin’ny anaran’i Jesosy


« Ary Jesosy namoaka demonia moana. Ary rehefa nivoaka ny demonia, dia
niteny ilay moana; ka dia gaga ny vahoaka. Fa hoy ny sasany: Belzeboba, lohan’ny Demonia, no amoahany ny demonia. Fa ny sasany kosa naka fanahy Azy ka nangataka famantarana taminy avy any an-danitra. Fa Izy nahalala ny heviny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana miady an-trano; ary ho rava ny ankohonana izay miady an-trano. Ary raha Satana koa aza no miady an-trano, ahoana no haharetan’ny fanjakany? Fa hoy hianareo: Belzeboba no amoahako ny demonia. Fa raha izaho mamoaka demonia amin’ny  herin’ny
Belzeboba, dia amin’ny herin’iza kosa no amohan’ny zanakareo azy? Koa
amin’izany  dia mpitsara anareo ireo. Fa raha ny ratsan-tanan’Andriamanitra no amoahako ny demonia, dia tonga aminareo kosa ny fanjakan’Andriamanitra. Raha ny mahery mivonona amin’ny fiadiany no miaro ny tranony, dia tsy haninona ny fananany. Fa raha avy kosa izay mahery noho izy ka mandresy azy, dia alainy ny fiadiany rehetra izay
nitokiany, ary izay azony ho babo dia zarainy. Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.

(Lioka 11: 14-23)

Karazana fanahy roa no misy eto amin’izao tontolo izao: dia ny fanahy
tsara sy ny fanahy ratsy. Ny fanahy tsara dia izay miandany amin’ny Fanahy Masina. Ny fanahy ratsy dia ny fanahy izay miandany amin’i Satana ary io no
ambaran’i Jesosy eto hoe: izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy. Tsy misy ny elanelany.

Betsaka ny voka-dratsy ateraky ny demonia. Ny eto dia  moana ny olona
misy azy. Nony niala ilay demonia dia niteny ilay moana. Misy karazana aretina ateraky ny demonia. Tsy ao anatin’ny olona velively no tokony hitoeran’ny demonia. Tsy azo tambatambazana ny demonia fa araka izao eto izao dia roahina izy hiala tsy hipetraka ao anatin’ny olona. Raha ny herin’ny olona irery anefa dia tsy haharoaka ny demonia mihitsy fa toa misangisangy azy Ihany. Ny herin’ny olona tsotra fotsiny dia tsy haharesy ny demonia.
Fa ny tenin’ny Tompo Jesosy dia mazava tsara: « hamoaka demoina amin’ny Anarako izy »(Marka 16:17) . Misy ny Fahefana natokana hamoahana ny demonia, dia ny amin’ny Anaran’i Jesosy. Ny anaran’i Jesosy ihany no voalaza eto fa hamoahana ny demonia. Tsy zakan’i Satana ny maheno ny Anaran’i Jesosy.

Ny eto amin’ity teksta eto ity dia noendrikendrehina Jesosy fa mamoaka
demonia amin’ny Anaran’i Belzeboba. Hoy Jesosy: ny fanjakana miady an-trano dia ho foana. Tena asa mafy tokoa ny asa fandroahana demonia, ary azo lazaina fa tena ady raikitra tokoa, tsy tambitamby fa tena fandroahana ankitsirano izao. Hiadiana ny demonia ao antin’ny olona, koa raha amin’ny anaran’i Belzeboba no entina hamoahana ny demonia dia toa miady an-trano
i Satana sy ny demoniany. Tsy misy anarana hafa hahazoana mamoaka
demonia afa-tsy ny Anaran’i Jesosy ihany. Ny herin’i Belzeboba tsy azo hamoahana demonia fa lasa miady an-trano izy.

Raha ny ratsan-tanan’Andriamanitra no amoahana demonia dia tonga ao
antintsika ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy fahasitranana ara-nofo ihany no tonga amin’ny olona avoaka Demonia fa izao voalaza izao hoe: tonga miaraka amin’izany koa ny fanjakan’Andriamanitra.

Raha manao fanekem-pihavanana amin’i Satan any olona iray dia mety
hahazo harena, sy izay angatahina fa ho setrin’izany dia ho lavitra azy ny fanjakan’Andriamanitra. Mpamitaka i Satana.

Miavaka tokoa ny Fanasitranana azo avy amin’Andriamanitra sy ny
fanasitranana avy amin’i Satana. Ny Tompo Jesosy dia tsy miahy ny nofon-tsika ihany fa miahy ny fanahintsika sy ny Fiainana Mandrakizay ho antsika.
Ny mampahatahotra anefa raha arahina ny Teny eto dia milaza indrindra
ny amin’ny olona izay nialan’ny Demonia: Fa raha tsy miambina izany olona izany ka manamavo ilay fanjakan’Andriamanitra ao anatiny dia hiverina ilay demonia teo ary ny tena ratsy dia hitondra fanahy fito hafa izy. Ny voalaza dia ho ratsy noho ny tamin’ny voalohany ny hanjo ilay olona: Tsy fanahy maloto iray intsony fa fanahy maloto fito na valo no ho ao anatiny.
Tao ary ny fotoana mety nanasitranana anao tamin’ny Anaran’i Jesosy,
na mety tsaroanao fa Jesosy mihitsy no nanasitrana anao, nefa mbola tsy nisaina ny amin’ny fisian’ny Fanjakan’Andriamanitra ao anatinao ianao fa naleona niverina amin’ny fanaon’izao tontolo izao ihany. Dia ho ratsy noho ny teo aloha ianao! Ary ho fatoran’i Satana mafimafy kokoa nho ny teo
Aloha hianao, ary ny hiafaranao dia ho very mandrakizay ianao. Mbola
velona anefa ianao izao anio izao, mbola misy fanantenana ho anao raha izao dia izao ianao dia miverina Aminy, aza mangataka andro, fa izao no fotoana ankasitrahana hiverenanao Aminy. Hoy Jesosy: Izay rehetra manatona Ahy tsy mba holaviko mihitsy. Ny Tompo Jesosy hampahery anao!

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’I Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho
ao amin’ny Fiangonana’
tél 22 210 42 – 034 01 078 23 – 032 43 968 53
e-mail : lhmmad@orange.mg

Publié par filazantsaramada

Feon'ny Filazantsara

Laisser un commentaire