Mpiara-miasa an-tsitra-po:


Tsy maty antoka izay manompo ny Tompo

« Fa aina ho an’ny mahazo azy izy Ary fahasalamana ho an’ny nofony rehetra. » (Ohab 4:22)

Andriamatoa RABETSIMIALONA Hajanirina, « Volontaire » FF ankehitriny ao amin’ny FJKM Ikianja Fiderana no nanao fijoroana vavolombelona teo anatrehan’ny Kristiana ny Alahady 9 Febroary lasa teo. Tamin’izany no nanehoany tamin’ny fiangonana fa tsy maty antoka izy nanaraka an’i Jesosy ka nanolo-tena an-tsitra-po hiandraikitra ny fandrindràna ny Fianarana Soratra Masina Ifandraisana ‘FSMI’ iarahany amin’ny Feon’ny Filazantsara. Nampitombo ny fifaliana tao anatiny izany no sady nahitàny vahaolana mandrakariva teo amin’ny fiainany andavanandro na dia voatery niala tamin’ny asa fivelomany aza izy noho ny krizy nisy teto amin’ny firenena. Nisaorany an’Andriamanitra lehibe moa ny nanohanan’ny vadiny azy tamin’izay rehetra nataony. Marihina fa efa nisy mpiara-miasa an-tsitra-po iray teo alohany nefa noho ny tsy fahafahan’ iry voalohany dia izy no miantsoroka izany asa izany ankehitriny. Mahatratra 48 ireo mpianatra nahavita ny fianarany ka notolorana « SERTIFIKA ». Tamin’io Alahady io dia nanasa ny avy eto amin’ny Feon’ny Filazantsara izy hanentana sy hamporisika ny kristiana hiroso amin’ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra ary hanatrika izany fizaràna SERTIFIKA izany izay natolotry ny Mpitandrina RAZAFIMAHEFA Noromandresy teo an-toerana.

DSC_0222 DSC_0221
FJKM Ikianja Fiderana
DSC_0205 DSC_0204
Andriamatoa RABETSIMIALONA Hajanirina, «Volontaire» FF ankehitriny
DSC_0203 DSC_0210
Mpitandrina RAZAFIMAHEFA Noromandresy mizara sertifika

Publié par filazantsaramada

Feon'ny Filazantsara

Laisser un commentaire